Tsy tanteraka ny hetsi-bahoaka mba ho fanehoana ny tsy fankasitrahana ny delestazy misy sy mahazo vahana any Manakara, ny asabotsy teo. Raha ny loharanom-baovao avy an-toerana, nosakanan’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo-Reg nanemitra ny kihon-dàlana rehetra tao an-tampon-tanàna ny hetsika filaharana sy fidinana an-dalambe saika natao tamin’io andro io.Noho ny tsy fisian’ny fahazoan-dàlana avy amin’ny tompon’andraikitra any an-toerana. Raha ny loharanom-baovao hatrany, dia saika niainga avy any amin’ny fokontany isan’isany avy ny filaharambe ary nihazo ny kianjan’ny demokrasia avy eo.Nefa izao voasakana izao hisorohana ny mety fihoaram-pefy sy fanararaotana ataon’ny sasany, mba tsy hivadihan’izany ho zavatra hafa tanteraka.
Tsiahivina fa nahazo gasoil 4000 litatra ny Jirama any an-toerana andro vitsy lasa izay, ary mety haharitra hatramin’ny 15 septambra io solika io. Noho ny fitsinjarana dia mandeha ny maraina amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 2 ora, miampy ny hariva amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 11 ora alina, isan’andro ny jiron’i Manakara. Tsy nankasitrahan’ny mponina mijaly sy tofoka izany, fa ny hivahan’ny delestazy faran’izay haingana araka ny fampanantenan’ny Filohan’ny Repoblika no tadiavin’izy ireo, hoy ny loharanom-baovao.
Manitrisa