- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRN2 : Fanaka vita tamin’ny hazo sarobidy saron’ny zandary

RN2 : Fanaka vita tamin’ny hazo sarobidy saron’ny zandary

Ireo fanaka tsy ara-dalàna saron’ny zandary.

Nanararaotra ny fahatapahan-dalana sy ny tany mihotsaka ary ny fikenokenon’ireo mpitandro filaminana amin’izany angamba ireto olona mpanao trafika ireto ka nihevitra fa tsy ho voasava sy ho tratra. Kanjo tsy izay no zava-niseho. Fiara iray nitondra fanaka vita tamin’ny hazo sarobidy no sarona tetsy Ambatolaona, ny alin’ny talata lasa teo.

Eto dia ireo zandary nisahana ny fiarovana ny Praiministra mihitsy no efa nahamarika ity fiara « sprinter » iray, feno entana sy mavesatra ity, raha niampita ilay fiovan-dalana teo Moramanga, hihazo ny renivohitra. Nampiahiahy ny fihetsiky ny mpamily ka nampandrenesin’izy ireo avy hatrany, ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central, izay nanome baiko ny teo amin’ny barazin’ny zandary teo Ambatolaona, hisava izany fiara izany. Tamin’ny sivy maraina ity fiara ity no afaka tao amin’ny fiovan-dalàna tao Moramanga, tamin’ny folo ora alina anefa no vao voasakana taty Ambatolaona. Araka ny voalaza dia nihevitra ny hitsoaka ny fisavàna mihitsy ny mpamily ary ninia nandeha alina. Tsy nahasakana ireto zandary teo Ambatolaona hanao fisavàna hatrany amin’ny faran’ny kely indrindra, araka ny toromariky ny lehiben’izy ireo anefa izany. Tratra teo ny nafenina. Fanaka vita amin’ny voamboana (palissandre) miisa 13, seza 12 sy latabatra iray, nafenina tao ambany gonim-bary telo taonina. Vao vita rafitra mihitsy ireto hazo ireto, raha ny fanazavana azo ary tsy nisy taratasy mazava ho azy. Marihana fa araka ny lalàna mahakasika ny fitrandrahana ala ary ny naoty navoakan’ny faritra Alaotra-Mangoro fa voarara ny fikapana, fitondrana izany hazo sarobidy izany, na io hazo tsotra na efa vita rafitra. Nogiazana teo no ho eo ihany ireto fanaka tsy ara-dalàna ireto ary nampidirina am-balam-pamonjana ny fiara. Ny mpamily kosa dia nentina notanana natao andrimaso ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambatolaona, hanaovana fanadihadiana, izay hiaran’ny avy eo anivon’ny zandary sy ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana. Marihana fa ny tompon’ireo entana ireo dia efa fantatra ary hampanantsoina ho amin’ny famotorana ihany koa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici