Nosamborin’ny zandary teny amin’ny birao misahana ny asa sy ny lalana sosialy niakaran’ilay fitorian’ny mpiasa tao Ambatovy, ireo telo lahy tafiditra amin’izany raharaha izany ny alarobia 26 janoary teo. Nivadika ho fadinkan-dalana mantsy ny fitorian’ireto mpiasa mitaky zo satria voalaza fa tsy nanaraka ny pitsotson-dalana ara-panjakana izany. Raha ny angom-baovao dia efa hatramin’ny fiandohan’ny faran’ny taona teo no nisy ny disadisa teo amin’ny mpiasa izay nahitana ny solontenan’ireo delegen’ny mpiasa telo lahy. Efa nisy koa nandritra izany ny dinika an-databatra boribory nataon’ireto mpiasa sy ny mpampiasa, ka tohin’ny dinika efa natao teny Ambatovy io no natao tao amin’ny sampandraharaha ny asa niaraka tamin’ireo mpitsiriky ny asa ny 26 janoary teo, nefa izao nivadika zavatra hafa izao ny raharaha. Tao anatin’izany anefa dia tsy nanampo izy telo lahy delegen’ny mpiasa ireto, fa zandary no tonga nisambotra azy ireo ary nitondra azy teny amin’ny « poste avancée » ny zandary eny Ambatovy, ka avy hatrany dia nampidirina fonjakely (violon) izy telo lahy. Andanin’izany dia nilaza ny mpiasa sy ny fianakavian’ireto telo lahy nosamborina, fa efa fomba ratsy fanaon’ny mpampiasa ao Ambatovy ireo mpiasa mitaky ny zony mba tsy ahafahan’izy ireo mitaky ny zony amin’ny mahampiasa ara-dalana azy ireo. Ankilan’izany dia re koa avy amin’Ambatovy fa nandika lalana mikasika ny lalanan’ny orinasa nifanaovana sonia ireo mpiasa sy ireo delegen’ny mpiasa telo lahy nampidirina « violon » ; ka amin’Ambatovy rehefa tsy voahaja ny fifanarahana arakasa amin’ny mpiasa sy mpampiasa dia tsy miditra amin’izao toe-javatra toy izao ny orinasa satria saro-pady izany orinasa izany. Nambaran’Ambatovy hatrany fa raha vita ny fanadiadiana ny raharaha ataon’ny zandary eo anivon’ny « poste avancée » an’Ambatovy, dia tsy maintsy hiakatra eny amin’ny fampanoavan’ny fitsarana ny mpiasa sy izy telo lahy nampidirina « violon » ireto.
Malala Didier