« Efa fanaony ny toy izao » hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Lehilahy iray 33 taona tokoa mantsy no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany tetsy Analakely, rehefa nanao ny fanaon’ireo mpitandro filaminana : manakana sy misava ireo taxibe ary ny loza dia tsy manaiky raha tsy mahazo vola tamin’ireo fiara nosakanany. Ny olana anefa, dia tsy mpitandro filaminana akory ranamana.
Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia manao fanamiana pôlisy mihitsy ity farany, hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Ny « casquette » misy soratra pôlisy, ny pôlô mainty misy sary famantarana ny polisim-pirenena, ny pataloa maitso, ny « rangers », miampy ny galona tsipika efatra eny amin’ny tratra. Raha ny ety ivelany dia tena hoe pôlisy ingahirainy, hoy hatrany ny vaovao. Saingy rehefa nahita ny fomba fihetsiny tamin’ireo fiara ireo pôlisy tena izy, niasa tsy lavitra teo dia nanatona avy hatrany. Nanontany ny mombamomba azy sy ireo fanontaniana, izay raha tsy ny pôlisy ihany tsy mahavaly azy. Tra-tehaka teo ny lainga rehetra. Ambonin’izay voalaza fa karatra amin’ireny « sécurité privée » ireny no nasehony indray ireo mpitandro filaminana nanao fanadihadiana azy. Teo no ho eo ihany moa dia nopaingorina ity mpisandoka ity, ary nentina nofotorana. Mazava ho azy, maromaro ihany ny heloka hanenjehana ity pôlisy sandoka ity.
Zavatra iray mahagaga tokoa fa dia anisan’ny asa maro mpisandoka ity asan’ny pôlisy, zandary, miaramila ity. Efa maromaro ihany mantsy izay, ankoatr’ity ranamana tetsy Analakely ity, ireo olona milaza azy ho mpitandro filaminana ary tsy menatry ny manakana fiara sy maka vola (manotra) ary manafika mihitsy aza ny sasany indraindray. Misy ireo efa tratra sy nidoboka am-ponja saingy tsy mahasakana ireo hafa hipoitra indray izany. Asa noho ilay hoe fahazoam-bola moramora ve, sa ilay fideraderana hoe manam-pahefana ka afaka manao izay tiany atao ? « Efa tsy lamaody intsony izany (…) » hoy ny lehiben’ny mpitandro filaminana iray. Amin’izao tokoa dia tena manao izay fara-heriny tokoa izy ireo, na ny zandary na ny polisy na ny miaramila, amin’ny fanadiovana ireo olon-dratsy mpialokaloka anaty fanamiana sy galona ary ny ady amin’ny kolikoly. Efa maro ireo paikady entina miady amin’izay ary hanentanana ihany koa ny vahoaka, hiara-hisalahy amin’izy ireo.
m.L