- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFahapotehan’ny lalam-pirenena faharoa : Niakatra avokoa ireo vidin’entana eny an-tsena

Fahapotehan’ny lalam-pirenena faharoa : Niakatra avokoa ireo vidin’entana eny an-tsena

Tsy niandry ela fa raha vao nandre sy nahita ny fahatapahan’ny lalam-pirenena faharoa tao anaty tambajotran-tserasera ireo mpivarotra isan-tsokanjiny teny an-tsena, dia avy hatrany dia nampakatra ny vidin’entana teo aminy. Nahitana fiakarany avokoa vokatra izany ny vidin’ny legioma, tonga hatramin’ny 500 ariary hatramin’ny 800 ariary ny voatabia iray izany hoe mahatratra 5.000 ariary hatramin’ny 8.000 ariary ny kilao arakaraka ny hatsarany sy ny habeny. Eo amin’ny ovy sy ny karaoty kosa dia misy manao 7.000 ariary ny karaoty iray kilao raha 4.000 ariary ny iray kilao amin’ny ovy madinika. Tsy lavitra izany, 3.000 ariary, koa ny vidina tongolo sy ny “cocombre” iray kilao. Niaka-bidy ihany koa ny vidin’ireo voankazo toy ny paiso sy paoma ary ny poara, raha ny hita teny an-tsena dia nahatratra 5.000 ariary hatramin’ny 9.000 ariary ny kilaon’izany. Na izany aza dia tsy nahita fiakaran’ny kosa ny teo amin’ny vary sy ny voamaina samy hafa, ny vary makalioka izao mbola 3.000 ariary ny kilao, ny vary gasy kosa 2.800 ariary, ary ny vary “stock tampon” 2.000 ariary hatramin’ny 2.300 ariary ny kilao. Mbola manodidina ny 1.000 ariary kosa ny ankamaroan’ny kapoaka amin’ireo voamaina toy ny tsaramaso sy kabaro…ary ny tsiasisa. Raha mbola mitohy ny fisian’ny andro ratsy sy fahasimban’ny lalam-pirenena ary ny tsy fahazoan’ny fiara vaventy mivezivezy, dia mbola hiakatra ihany ny vidin’ireo legioma sy voankazo ireo eto Toamasina. Eto Toamasina izao dia hilaharana ny fiara hany mba tonga mitondra ireo legioma sy ireo voankazo eto Toamasina vokatra ny fahasimbana sy faharatsian-dalana. Ankilan’izany dia nanara-dia ny fiakaran’ny vidin’entana ihany koa ireo entam-barotra avy ao Toamasina faharoa sy avy ao Analanjirofo, isan’izany ny akondro sy ireo karazan’anana izay efa tsy mahazo intsony raha tsy 500 ariary ny tokony, ary ny arina fandrehatra izay efa tonga hatramin’ny 18.000 ariary hatramin’ny 20.000 ariary ny lasaka na 50kgs.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici