Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teto an-tampotanan’Antsirabe. Kamiao lehibe iray nitatitra voanjo milanja 17 taonina no nifatratra tao amin’ny fivarotana iray tao Ambohimiandrisoa. Ny Alahady hifoha Alatsinainy tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any no nitranga ny loza. Raha ny nambaran’ny mpamilin’ilay fiara dia efa fanaony no miolaka eo amin’io toerana io alohan’ny hampidirana ny vodin’ilay kamiao hanaterana ny entana saingy tamin’ity kosa dia tsy fahatomombanana nipoitra tampoka tamin’ny fiara no nampiteraka ny loza. Fantsona iray amin’ny “embrayage” no tapaka ka tsy voatana intsony ny fiara fa nihemotra mafy ka nifatratra tao amina fivarotana “Epicerie” iray ny vodin’ny fiara. Tovolahy kely iray mpiambina no saika maty voatototry ny fivarotana fa soa fa tafavoaka haingana ity farany, nanakaiky varavarana rahateo ny toerana nandriany. Potika noho izany ny fivarotana, tsy mbola fanatra mazava hatreto ny fahavoazana satria tsy mbola tafiala teo ilay fiara omaly maraina tontolo hatramin’izao ora hanoratana izao. Niteraka fitohanana lava reny tao Ambohimiandrisoa Avaratsena mipaka hatrany atsimotsena ity loza ity satria nitsivalana teo ampovoan’ny arabe ilay fiara lehibe. Isan’ny faritra be mpivezivezy indrindra eto Antsirabe iny faritra iny na ho an’ny fiara izany na olona. Tsikaritra kosa fa tsy dia nisy loatra ny mpitandro filaminana na avy ami’ny kaominina nandamina ny fifamoivoizana fa samy nanao izay saim-patany ny mpampiasa ny lalana ka nampiteraka savorovoro mihitsy.
Andry N.