Vao herinandro monja ity lehilahy iray 34 taona, no niroso tamin’ny famarotana sy fanaparitahana rongony mahery vaika eny amin’iny faritra Itaosy iny dia fantatry ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ary dia voasambotra soa aman-tsara.
Manodidina ny efatra alina ariary eo ho eo no hamarotana ny iray grama amin’ny « cocaïne » eny an-toerana, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, raha raisiny amin’ny vidiny 35.000 ariary izany. Raha ny fanadihadiana nataon’ireto mpitandro filaminana ireto dia fianakaviany monina eny an-toerana ihany no mpamatsy azy. Izany hoe bizina iraisam-pianakaviana, saingy mbola izy aloha hatreto no voasambotra. Raha ny vaovao voaray tokoa mantsy, taorian’ny angom-baovao azon’ny avy eo anivon’ny mpitandro filaminana miady amin’ny zava-mahadomelina, ny amin’ny fisiana olona mamatsy rongony mahery vaika « cocaine » eny amin’iny faritra Bemasoandro Itaosy dia niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana teny ifotony izy ireo. Ny sabotsy lasa teo, fantatra izany olona izany ary niroso tamin’ny fisamborana azy ireo pôlisy. Mbola tra-tehaka teo am-pivarotana mihitsy moa ity lehilahy 34 taona ity, izay nahitàna ambina rongony roa grama, izay efa vita tany anaty sachet tany aminy.
Raha ny voalaza dia ireo tanora eny an-toerana, mitovitovy taona aminy no tena mpanjifany mahafatra-po. Mahalafo eo amin’ny roa grama indroa isan-kerinandro teo ny lehilahy amin’izany. Amin’izay fotoana izay moa, raha ny fantatra dia samy miara-mandray izany rongony mahery vaika izany na izy mpivarotra na ireo tovolahy mpividy ao aminy. Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny pôlisy hanaovana famotorana ity mpibizina rongony ity ary natolotra ny Fampanoavana omaly. Heverina fa tsy ho ela ihany koa dia ho fantatra ilay voalaza fa fianakaviany, mpamatsy azy amin’izany rongony izany.
m.L