- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIlanivato : Polisy sandoka mandrahona olona amin’ny basy kilalao

Ilanivato : Polisy sandoka mandrahona olona amin’ny basy kilalao

Maro amin’ny olona tokoa no mihevitra fa rehefa mpitandro filaminana dia manana fahefana, manana basy ary afaka manao izay tiany atao sy mandrahona olona. Toy ity lehilahy iray, izay milaza ny tenany fa pôlisy ity ka maka vola aman’olona amin’ny alalan’ny fandrahonana azy ireo amin’ny basy … kilalao ! Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena tokoa mantsy dia efa maro ireo fitairanana azon’izy ireo mahakasika ity polisy sandoka eny amin’iny faritra Ilanivato sy ny manodidina iny. Voasambotra ny pôlisy tena izy, avy etsy amin’ny PPA Ilanivato ihany moa nony farany izany lehilahy izany, ny faran’ny herinandro teo.

Ny zava-nisy. Voalazan’ireo olona tonga nitaraina teny anivon’ny pôlisy fa misy olona milaza azy ho pôlisy eny an-toerana, ary manambana amin’ny « PA » mihitsy no sady mandrahona olona mba hanome vola azy. Tsy nisy atak’andro fa nidina avy hatrany tany amin’ny toerana voalaza iretsy mpitandro filaminana, ary nanao ny fikarohana ity olona mandoto ny anaran’izy ireo ity. Tsy ela dia fantatra sy tsikaritra ny lehilahy iray 43 taona. Nosamborina avy hatrany ity farany, ary nentina nafotorana. Fantatra fa tena misandoka andraikitra ranamana ity, ary ny basy fentiny mampitahotra ireo olona dia tsy inona akory fa basy poleta tokoa, miloko mainty, saingy basy kilalao, natao haka endrika basy tena izy. Araka ny voalaza etsy ambony dia efa maromaro ihany ny fitoriana mipetraka mahakasika ity lehilahy ity eny anivon’ny pôlisy. Notazomina natao andrimaso tamin’io fotoana io ihany moa ity pôlisy sandoka ity, alohan’ny hanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici