- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversSambo rendrika « Francia III » : Ben’ny tanàna sy olona 12...

Sambo rendrika « Francia III » : Ben’ny tanàna sy olona 12 nampidirina am-ponja

Feno iray volana ny faharendrehan’ny sambo Francia III ny 20 janoary lasa teo, tao Antsiraka no nitrangan’izany ary namoizana ain’olona 80 mahery satria mbola ao ireo tsy hita popoka. Raha tsiahvina dia nihoatra ny 130 ny mpandeha nentin’ity sambo kely rendrika ity. Nisy ny fiakarana fampanoavana mikasika ny raharaha tao Fenerivo atsinanana, ka olona 13 izy ireo no niakatra tamin’izany ny andron’ny 1 febroary teo anivon’ny fampanoavan’ny fitsarana. Hentitra ny fampanoavana tamin’ity raharaha ity tao Fenerivo atsinanana noho ny ain’olona nafoy tamin’ny faharandrehan’ny sambo. Raha nivoaka ny didy savaranonando teo anivon’ny fampanoavan’ny Fenerivo atsinanana fa miandry fitsarana any am-ponja izy 13. Izy 13 nampidirina am-ponja ireo dia mpiasan’ny kaominina Antanambe ny 3 izay ben’ny Tanàna ny iray tamin’izy ireo, mpiasan’ny APMF ny 4 izay talem-paritra ny APMF Analanjirofo ny iray, olona roa avy amin’ny kaoperativam-pitaterana an-tenty, ny olona roa mpiasan’ny lakana hafa izay namindra olona tao anaty ny lakana Francia III, ary ny roa mpahandro tao amin’ny lakana Francia III izay nahita ny zava-niseho nefa tsy nampandre izany. Nandritra ny fampahafantarana ireto olona 13 nahiditra am-ponja vonjy maika ireto dia nanenatana ny rehetra ny tonia mpampanoa lalana Fenerivo atsinanana, mba hanampy ny mpitandro ny filaminana amin’ny fikarohana ny tompon-tsambo Francia III, i Franck Antonio Norbert. Efa misy ny taratasy fikarohana navoakan’ny fampanoavana eto Toamasina sampana fikarohana heloka bevava momba ity tompon-tsambo ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici