- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversSoanierana Ivongo : Hasarotam-piaro tafahoatra, novonoiny ny vadiny

Soanierana Ivongo : Hasarotam-piaro tafahoatra, novonoiny ny vadiny

Nitrangan’ny trangam-piaraha-monina, ny talata 01 febroary tokony tamin’ny 10ora maraina, vokatry ny resa-pitiavana, tao amin’ny tanana tao amin’ny kaominin’i Manompana, distrikan’i Soanierana Ivongo, faritra Analanjirofo. Raha ny fandehan’ny raharaha dia tovovavy iray no naheno resaka taman’olona fa manana sipa ilay lehilahy miaraka aminy. Vokatr’izany dia tezitra ilay tovovavy ka nanara-dia ilay vadiny teny an-tsaha niasan’ilay tovolahy. Vao nifankahita izy mivady dia raikitra avy hatrany ny fifamaliana teo amin’izy ireo noho ilay fampirafesana henon’ilay tovovavy. Samy nentim-po izy roa ka rafitra ny ady; saingy nanana antsy fampiasany amin’ny fambolena ataony ilay tovolahy ka notaperiny tamin’ilay antsy teny aminy ny ain’ilay tovovavy vadiny, ary nandositra izy taorian’izany. Na teo aza ny fandosiran’ilay tovolahy nahafaty ny vadiny ity dia nandray fepetra haingana ny zandary tao Soanierana Ivongo niaraka tamin’ny lehiben’ny distrika, ka tratra ny andron’ny talata 01 febroary io ihany ilay nahavanon-doza. Tao Matsokely eo amin’ny fiampitana baka ao Soanierana Ivongo tamin’ny 04 ora hariva sy 30min ny nahasombarana azy. Saika handositra tany Fenerivo Atsinanana ilay tovolahy namono ny vadiny izay voasambotra. Alain Lido Jean Maradonah no anarany, ary teraka ny 27 avril 1996 tao Manompana. Tsara ny manaramarika fa samy avy ao Manompana izy mivady nifamono ireto. Efa eo am-pelan-tananan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao, ka raha vita ny fakana am-bavany azy eo anivon’ny zandary dia hiakatra fitsarana ny raharaha.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici