- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversRN6 : Nivadika ho angady ny bizo halatra

RN6 : Nivadika ho angady ny bizo halatra

Olona folo no voasambotra. Ny antony dia noho ny fangalarana ireo bizo na lalan-drano ambanin’ny tany, izay vita amin’ny vy. Vokatr’izany dia nitarika fihotsahan’ny lalam-pirenena izay naha-tapaka tanteraka ny làlana teny amin’ny RN6. « Araka ny famotorana natao tamin’izy ireo dia nanaovana angady vaovao ilay bizo ka izany no antony hanapotehany fananam-bahoaka. Lohan’angady miisa 300 no vitan’izy ireo ary tra-tehaka nandritra ny fisavàna tao anaty taxi-brousse iray hihazo an’ i Mampikony », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Lehilahy miisa 4 no nitondra izany ary nosamborina avy hatrany. Izy ireo indray avy eo no nanoro ilay olona nakan’izy ireo ilay entana ary tratra tao ihany koa ny olona telo hafa izay mpanamboatra ireo angady. Mbola tratra tao ihany koa ireo fitaovana nampiasaina nangalarana an’ ilay bizo, raha araka ny fanampim-panazavan’ny polisy hatrany. Ankoatra ny halatra dia isan’ny vesatra ara-pitsarana hanenjehana azy ireo koa ny fanimbana fananana iombonana. Tsiahivina fa tapaka mihitsy ny lalam-pirenena noho ny tsy fisainan’ireto olona ireto.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici