Hatairana ny an’ny rehetra, izay nampiasa iny lalam-pirenena faharoa iny, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Irony fiarabe « citerne » izay voalaza fa nitondra etona fandrehitra, tsy mbola voatsinjara amin’ny tavoahangy irony no nirefotra sy nipoaka teo amin’ny toerana fiantsonany, teo Ankarefo, 20km tsy hiditra ny tanànan’i Moramanga, raha avy aty an-drenivohitra. Niredareda tsy nisy toy izany ny afo. Potika tanteraka ilay fiarabe ary voalaza fa nisy trano iray teo ankilany ihany koa no nirehitra niaraka tamin’izay. Raha ny fampitam-baovao azo dia tsy nisy aina nafoy na ny naratra tao anatin’izany. Ary noho ny ezak’ireo olona sy ireo tompon’andraikitra teny an-toerana dia vetivety ihany dia voafehy izany afo izany.
Raha ny vaovao azo hatrany dia fiarabe avy aty an-drenivohitra, hihazo an’i Toamasina ity fiara niharan-doza ity. Efa tafapetraka tsara teo amin’ny « parking » nisy azy, izay toerana fialàn’ireo mpamily fiarabe sasatra moa, ity fiara ity no nitranga ny loza. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga izany. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Ahiahiana mantsy ny mety hisian’ny halatra « etona », izay efa mateti-pitranga eny an-toerana ary mety ho antony nahatonga ny loza. Nentina natao fandihadiana vokatr’izay ny mpamily, raha ny vaovao hatrany.
m.L