- Publicité -
lundi, juillet 21, 2025
AccueilFaits-DiversRoco Donatien : Voasambotra fanindroany indray

Roco Donatien : Voasambotra fanindroany indray

Tany Mahajanga, teny akaikin’ny bord  no voasambotry ny zandary ity mpandihy malaza ity, izay voarohirohy tamin’ny resaka hosoka sy fanaovana hosoka, ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Efa nisy ny angom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana mahakasika azy sy ny toerana nahitàna azy, ka nidina avy hatrany tany an-toerana ireto, nanakana avy hatrany fiara Mazda BT50, nandehany, tamin’io hariva. Tsy nisy fanoherana moa fa avy hatrany dia nanaiky nanaraka an’ireto zandary nisambotra azy i Roco Donatien, ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary. Marihina fa ny 22 janoary lasa teo no namoaka taratasy fampikarohana azy ny teo anivon’ny zandary, rehefa tsy hita tany nanjavonana ny lehilahy. Araka ny voalaza etsy ambony dia resaka hosoka sy fanaovana hosoka no hanenjehana azy, araka ny voarakitra ao anatin’io taratasy fampikarohana azy io.

Ny mahagaga sy mahavariana kely ihany anefa, hatreto, dia efa indroa namoahana izay taratasy fampikarohana azy izay ity mpanakanto, fantatra teo amin’ny sehatry ny dihy ity ary efa indroa nosamborina ihany koa izay. Raha tsiahivina mantsy dia ny voalohan’ny volana oktobra lasa teo ny lehilahy no voasambotry pôlisy tetsy Ambohidahy, rehefa nisy ihany koa ny taratsy fampikarohana azy, navoakan’ireto farany. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia ny teo anivon’ny zandary indray no nikaroka azy ary izao tra-tehaka izao indray.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici