Toa efa nandrasan’ireo olon-dratsy mihitsy ny fandalovan’ny rivodoza mba hanatontosana ny fandrobàna. Kodiaran-droa nipetraka teo amin’ny toerana mahazatra no nanaovan’ireo latsak’alina ny alin’ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora. Izany hoe, tao anatin’ny fotoana tena nahamafy ny fitsokan’ny rivotra sy ny filatsahan’ny orana teto Analamanga. Soa fa nisy nahatsikaritra izany na dia efa tafavoaka aza ny moto. Niantso vonjy ny tompon-trano ary mba nisy naheno ihany izany na dia tao anaty rivotra nifofofofo aza. Nivoaka ny olona, vetivety dia vory, ary tao anatin’izany koa dia tonga ny zandary izay nisy nampandre, no koa tsy dia lavitra teo no nisy biraony. Tsikaritr’ireo olon-dratsy izany, narian’izy ireo teo ny kodiaran-droa dia lasa nanavo-tena izy ireo. Ho an’ny jiolahy izany dia tsy mitombina loatra aminy izany fanairana mena sy rivodoza izany…
D.R