Olona iray saron’ny zandary nanao fisolokiana voasambotra nanaovana fanadiadiana teo anivon’ny zandary, no nahafantarana sy nahatrarana azy roa vavy mpitsindrona sy mpivarotra “heroine” eto Toamasina ireto. Voasambotra izy roa vavy taty aoriana ka nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahalalana fa mahazo tombom-barotra 1.400.000 ariary isan’andro izy roa vavy ireto amin’ny famarotana ilay “heroine”. Eo amin’ny 10.000 ariary ny fonosana ampiasaina indray mandeha, ka efa vita fonosana tsara izany amin’ny famarotana azy. Efa manana paikady manokana sy mahomby izy roa vavy ireto, ka fantatra tao anatin’ny fanadihadiana natao fa anaty finday no hanitrihan’izy ireo ny zava-mahadomelina. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny fitaovana sy fanafody fampiasan’izy ireo. Tsikaritra tato ho ato fa nahazo vahana ny fidorohana sy fitsindromana ity zavamahadomelina amin’ny ankamaroan’ny tanora sasany, izay mitarika tsy fandriam-palemana. Eo ihany koa ny fivarotana izany zavamahadomelina izany eny amin’ny fiaraha-monina. Vokatr’izany no nahatonga ireo mpitandro filaminana nametraka paikady sy vela-pandrika. Noho izany dia tsy hijanona hatreto ny fikarohana ireo mpivarotra sy mpitsindrona ity zavamahadomelina “heroire” ity eto Toamasina. Miangavy ny mpiara-monina amin’ny fanomezam-baovao marim-pototra ny zandary momba ireo mpivarotra sy mpitsindrona ity zavamahadomelina mahery vaika tonga eto Madagasikara ity.
Malala Didier