- Publicité -
samedi, juillet 19, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA-FIOVA : Hotazomina ny hetsika fanao hatrizay

VAKINANKARATRA-FIOVA : Hotazomina ny hetsika fanao hatrizay

Maro ny orinasa nandalo fasahiranana noho ny valan’aretina Covid-19 fa samy niezaka nitraka hatrany nandritra ny taona 2021 lasa iny, tsy niraviravy tanana rahateo ireny orinasa ireny ka nahazahoana vokatra tsara. Nifanome teny ny orinasa tsirairay mba tsy hanajanona tanteraka ny hetsika fanao fa hotazomina  izay nahasoa rehetra. Na teo aza ny fahasimban’ny orinasa sasantsasany dia niezaka nitraka izy ireny ary nisy ny ezaka natao nentina nampitraka sy nanarina azy ireny. Isan’ny nivohitra izany nandritra ny fihaonana nokarakarain’ny FIOVA na Fivondronan’ny Orinasa eto VAkinankaratra tamin’ny fifampiarabana noho ny taona vaovao izay natao tao amin’ny tranoben’ny faritra ny faha 2 Febroary  2022 lasa teo.

Hiezaka hanao ny mety  hirosana amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ny FIOVA hoy Ramarijaona Andrianjafy filohan’ny FIOVA.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici