Ny zoma alina ao anatin’ny fiandrasana ny andro ratsy nateraky ny rivo-doza Batsirai ny teto
Toamasina, izay tsy nisy akory ny farany, dia tapaka tampoka ny Jiro tokony tany amin’ny
08ora alina tany ho any manerana ny tananan’i Toamasina. Niverira ihany ny herinaratra
adiny iray sasany taty aoriana tokony tamin’ny 09ora sy sasany teo tamin’ny ampahan’ny
Tanana, fa nitohy ny fahatapahana ho an’ny faritra Mangarano – Barikadimy – Ambalamany
– ary Mangarivotra atsimo iny, ka tsy niverina izany raha tsy tany amin’ny misasak’alina tany
ho any. Io fahatarana fiverenan’ny herinaratra io no nampitokona ny mpianatra teny
Barikadimy ny maraina ny sabotsy neneho ny tsy fahafaliany amin’ny tsy fisian’ny
herinaratra. Nanampy trotraka izany koa ny resaka halatra akoho amam-borona nitranga tao
anatin’ny campus, izay nahatezitra ireo tompony sy ny manodidina ny zava-nitranga. Tsy nisy
aloha ny fahasimba tamin’ity fitokonan’ny mpianatra tao Barikadimy ny sabotsy teo ity,
tonga teny an-toerana koa ireo mpitandro ny filaminana nahita ny zandary sy ny polisy
nandamina ny raharaha. Ankoatra izay nidina nijery ny zava-nisy ny talen’ny angovo eto
Toamasina nijery ny fanamboarana ny fahasimbana niteraka fahatapahan-jiro teto Toamasina
manontolo. Teny Mangarano akaikin’ny Hotel Fanjava ity fahasimbana ity satria tapaka noho
hetraketraky ny rivotra ny tarobian-jiro moyen tension. Ankoatra izay dia ny fiakaran’ny
ranomasina tao amin’ny faritry ny Canada cite sy fokontany depot I hatramin’ny IV. Izany dia
vokatry ny onja lehibe nateraky ny rivo-doza Batsirai tao atsimon’ny Toamasina tao. Tsy dia
nanimba zavatra anefa izany fiakaran’ny ranomasina izany, efa nanaramaso ihany koa ny
mpamonjy voin’ny kaominina tamin’ireo mponina mety ho tra-boina.
Malala Didier