- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversDigue : Mpitondra moto maty novelesin’ny jiolahy tamin’ny « bois rond »

Digue : Mpitondra moto maty novelesin’ny jiolahy tamin’ny « bois rond »

Raha iny teny ambony môtô iny no nisy nidaroka mafy dia mafy tamin’ny hazo ny lohany. Naratra mafy ary namoy ny ainy taorian’izay ity lasibatra ity, lasan’ireo olon-dratsy kosa ny môtô nentiny. Zava-nitranga tetsy amin’ny lalan’i Digue, tsy lavitra akory an’ireo fivarotana tao-zavatra malagasy ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Tokony ho tamin’ny valo ora alina tany ho any. Handeha hamonjy ny asany toy ny fanaony ity tovolahy iray, nandeha môtô sy nindrana iny lalan’ny Digue iny hihazo ny toeram-piasàny, tsy lavitra teo. Nony tonga teo amin’io toerana voalaza etsy ambony io, dia voalaza fa nisy andian’olona maromaro nanakana an’ity mpitondra môtô ity. Nisy hafa kosa no nidaroka azy tamin’ny « bois rond ». Voa teo amin’ny lohany ity farany ary niakarapoka nianjera. Navelan’ireto mpanafika teo ity lehilahy ity, tao anatin’ny rà mandriaka, raha lasan’izy ireo kosa ny môtô nentiny. Raha ny vaovao dia hoe olona sendra nahita no niantso vonjy sy nitondra ity naratra tany amin’ny toeram-pitsaboana , saingy noho ny ratra mafy nahazo azy, indrindra fa ny tao amin’ny lohany dia namoy ny ainy ity farany. Fantatra moa fa efa noraisin’ny mpitandro filaminana an-tanana ity raharaha ity ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Tsapa tokoa tato ho ato izay ny firongatr’ity halatra môtô eny an-dalana ity. Tsy mionona fotsiny amin’ireo môtô mipetraka etsy sy eroa intsony mantsy ireo olon-dratsy fa efa sahy manafika ireo môtô eny am-pandehanana mihitsy. Mazàna dia ireo sendra mandeha irery amin’ny alina no tena lasibatra amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra. Amin’ireo faritra mena izay efa tena malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana moa dia efa tsy lazaina intsony, raha tsy hiteny raha afa-tsy iny lalan’i Digue iny, manomboka any Anosipatrana, ka hatrany Andranomena, mandalo an’Andohatapenaka sy Ampasika. Eo anatrehan’ny zava-nisy, tsy ny mahazo ny mpitondra môtô irery ihany fa ny resaka tsy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny mihitsy dia voalaza fa hisy ny hetsika ataon’ireo mpitondra kodiaran-droa amin’ny alalan’ny fampanenoana « klaxon », anio amin’ny 12 ora atoandro, mba ho fanairana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici