Nifampitana indray ny jiolahy sy ny zandary tany amin’iny lalam-pirenena fahatelo iny, ny marainan’ny alarobia teo. Tokantrano iray, izay nisy mpivarotra enta-madinika teo Ambatomitokana, kaominina Ampaneva, distrikan’i Manjakandriana no notafihin’ny jiolahy dimy lahy nitondra basy.
Tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any no nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohimanarivo, ny amin’ny fisian’ny fanafihana, tao Ambatomitokana, manamorona indrindra iny RN3 iny. Tamin’io fotoana io dia nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana. Minitra vitsy dia tonga teo amin’ilay toerana voalaza ireto zandary, kanjo tifitra variraraka avy hatrany no nitsena azy ireo. Voatery niaro tena sy namaly tifitra ireto farany ka nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no lavo, maty tsy tra-drano. Nanao tari-dositra nitsoaka, nafenin’ny alina kosa tetsy andanin’izay ireo namany hafa. Tsy niandry ela indray anefa fa ny marainan’io ihany dia efa nisy tratra ny roa tamin’ireto mpanafika : ny iray tao amin’ny trano fonenany tao Talata Volonondry, ary ny tany amin’ny CSB Ambohibao Sud, satria nisy naratra tamin’ny fitsoahany. Marihina fa ny sasany tamin’ireto olon-dratsy mpanafika ireto dia saika mpivarotra saosisy ao Talata Volonondry avokoa, raha ny fampitam-baovao azo. Anisan’izay ity maty voatifitra ity, izay vao herintaona monja no tonga tao an-toerana, raha avy any Antsirabe ny fiaviany kanefa dia izao nanita-kevitra nivadika ho jiolahy izao. Azo teny am-pelatanan’ireto olon-dratsy ireto moa ny basy poleta vita gasy, nasiana bala « calibre 12 », izay nentin’izy ireo nitifirana ireo mpitandro filaminana. Nisy ihany koa ny fitaovana fentin’izy ireo mamaky trano, toy ny « pince » isan-karazany, izay sarona tao an-tranon’ireo voasambotra.
Araka ny fampitam-baovao hatrany moa dia tsy mbola nahavita hatramin’ny farany ny zavatra nokasain’izy ireo hatao ireto mpanafika ireto satria tonga ara-potoana ny zandary. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy tamin’ireo voatafika, saingy voalaza kosa fa nisy finday sy enta-madinika maromaro very toy ny sigara sy ranom-boankazo dimy tavoahangy. Voalaza fa mbola nisy efa-dahy nitsoaka kosa ary ahiana ho mbola mitana basy tamin’ireo mpanafika. Efa eo am-pikarohana azy ireo moa ireo mpitandro filaminana ary efa nampandrenesina ireo tobim-paritry ny zandary manodidina.
m.L