« Camionnette » iray avy any amin’iny distrika Brickaville iny no tra-tehaky ny zandary teo amin’ny sakana teo Carion, RN2 ny alakamisy lasa teo. Nahitàna toaka voarara manodidina ny 175 litatra tany ho any tao anatin’ity fiara ity, niaraka tamin’ireo entana ara-dalàna handeha haterina. Mpanao « livraison » vinaigitra any amin’iny faritra Atsinanana iny ity fiara saron’ny zandary, nitondra toaka gasy ity. Raha ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia nezahin’izy ireo nafenina tao ambanin’ireo tavoahangina vinaigitra marobe ireo toaka voarara, notsinjaraina tao anaty bidon maromaro. Nihevitra angamba izy ireo, ny mpamily sy ny mpanampy azy, fa efa hiarahan’ny rehetra mahafantatra ny fiara entina ka tsy hisy hisava. Kanjo na dia teo aza izany dia tsy nahasakana velively ireo zandary teo amin’io sakana teo Carion, tsy hanao fisavàna hatrany amin’ny farany bitika indrindra, araka ny baiko azo, avy aty amin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Central, izay mifehy azy ireo. Rehefa najanon’ny zandary ny fiara, ny alakamisy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina dia natao ny fisavàna ny entana. Tamin’io fotoana io no sarona ireo « bidon » maromaro. Nidoaka ny fofona toaka gasy. Najanona teo avy hatrany ny fiara, nogiazana izany entana voarara izany ary nentina natao famotorana kosa ireo roalahy tao anatiny. Nambaran’izy ireo tamin’izany fa novidian’izy ireo tao Brickaville izany toaka gasy izany tamin’ny vidiny 4000 ariary ny litatra ary nokasaina hamidy aty an-drenivohitra amin’ny vidiny 6000 ariary. Marihana fa mbola mipetraka sy mihatra eto amintsika ny lalàna fandraràna ny fanamboarana, fitondrana sy ny famarotana toaka gasy. Ankoatry ny lamandy, izay manodidina ny iray alina ariary isaky ny litatra dia misy ihany koa ny fanenjehana ara-keloka sy ny fanolorana ireo olona eny anivon’ny Fampanoavana, izay mety hitarika hatrany amin’ny fampidirana am-ponja.
m.L