Natao ny alakamisy 10 febroary teo ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny ladoany 2022, raha tamin’ny faha-26 janoary teo no tena andro natokana ho an’ny ladoany iraisam-pirenena (OMD). Noho ny zava-nitranga teto amintsika, isan’izany ny andro ratsy Ana nitareka rano be sy ny rivodoza Batsirai niteraka fahasimbana dia safidy manokana ny andron’ny alakamisy 10 febroary raha efa nahavita ny azy ireo sampan’ny ladoany sasany teto Madagasikara. Nisy ny lohahevitra noraisin’ny OMD sy ny Ladoany Malagasy nandritra ny fankalazana dia ny hoe “Accélérer la Transformation Numérique de la Douanes en Développant une Culture de la Donnée et un Ecosystème Performant”. Miisa eo amin’ny 1.200 eo ireo mpiasan’ny ladoany manerana ny Nosy, ka izay no nahatonga azy ireo nanampy ireo traboina ka nanolotra fanampiana tamin’ny tsipaipaika nataon’ireo mpiasa ireo izay natolotra ny BNGRC na ny « Birao Misahana ny Loza sy Tandinon-doza Malagasy ». Misy fandaharanasa 31 koa fanavaozana ny ladoany amin’izao, ka saika eto Toamasina sy amin’ireo foiben’ny ladoany goavana eto Madagasikara misy izany. Nisy noho izany ny fitokanana ny foibe fitsirihana ny entana mandalo ladoany eo anivon’ny seranana, izay napetraka niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka Koreana, teo anivon’ny foiben’ny ladoany Toamasina ireo vahiny nasaina sy ny tale jeneralin’ny ladoany Malagasy. Nahitana « caméra » sy fahitalavitra fanaraha-maso ary fikirakirana ny sary ny efitrano fanaraha-maso notokonana. Tsy hijanona eto Toamasina ihany izany fomba fiasa izany, fa ho avy koa ireo ladoany hafa manerana ny nosy isan’izany ny ladoany eny amin’ny seram-piaramanidina Ivato. Ankoatra izany dia nisy koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpiasan’ny ladoany nahavita be tamin’ny alalan’ny OMD na « Organisation Mondiale des Douanes » tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny ; 70 ireo mpiasa nahazo izany saingy 17 no notolorana izany tonga teto Toamasina. Nisy koa ny fanaovam-bakisiny ireo mpiasa sy ireo mpiara-miombona antoka amin’izy ireo nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ny ladoany, ny antony hoy ny tale jeneralin’ny ladoany dia ny fahatsapana ny fahafatesana mpiara-miasa tanora izay 30 taona farany teo. Fiaraha-miasa tamin’ny Usaid sy ny Access no nanaovana izao fanaovam-bakisiny teny amin’ny biraon’ny ladoany Toamasina izao.
Malala Didier