Tsy mbola niravona ny disadisa ao amin’ny oniversitean’I Barikadimy taorian’ny nahafatesan’I Fanahia. Ity farany raha tsiahivina dia voatondro ho nangalatra bisikileta ny alin’ny 9 febroary ka novonoin’ireo mpianatra. Tsy tana vokatr’izay ny ainy nohon’ny ratra nahazo azy. Ny 10 febroary vao fantatra fa mpianatra ao amin’ny oniversite ihany ity namoy ny ainy ity, 24 taona ary manaraka lalam-piofanana fitantanana taona fahaefatra. Mpikambana ao anatin’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Toliary ihany koa ny tenany. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia voatondro fa mpianatra iray izay antsoina hoe Ernest na “fer rond” no nanapitra ny ainy . Vokatr’izay dia nanao hetsika nanomboka ny zoma lasa teo ireo mpianatra mivondrona ao anatin’ny “triangle du Sud” mba hisamborana ity lazaina fa nahavanon-doza ity. Nitohy omaly izany hetsika izany ka mba hanairana ny tompon’andraikitra dia nisalotra akanjo mainty sy nanao fehiloha mena ireto mpianatra avy ao amin’ny “triangle du Sud” ireto . Naaton’izy ireo tamin’izany ny fampianarana rehetra ary nakatona ihany koa ny birao rehetra. Nandritra izany hetsika izany no niantsoan’izy ireo ny “triangle du Sud” any amin’ny oniversite dimy mba hiray feo amin’ny ao Toamasina.
Fitoniana. Na dia am-pitoniana aza no nanaovana ny hetsika dia tsy vitsy tamin’ny mpianatra tao Barikadimy no miahiahy sahady ny amin’ny ho avin’izy ireo ny amin’ny mety ho fitohizan’izao hetsika izao. Manoloana izany dia nandefa taratasy miantso fitoniana ny filohan’ny Oniversite ao Toamasina. Voalaza tamin’izany fa “efa mandray ny andraikiny ny fitantanana ny Oniversite sy ny fitondram-panjakana rehetra voakasik’iny raharaha iny”. Nanentana ihany koa ny tenany ny mba hanohizana ny fiainana andavanandro na ny asa izany na ny fianarana eo anivon’ny oniversite.
Narindra Rakotobe