- Publicité -
dimanche, décembre 28, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazomanga : Fisolokiana amin’ny « cash point », roa lahy tratra am-bodiomby

Ankazomanga : Fisolokiana amin’ny « cash point », roa lahy tratra am-bodiomby

Ela nitoratorahana loatra ! Roa lahy, anisan’ireo mpisoloky ikoizana eny amin’ireo toerana fandefasam-bola, na « cash point », hoy ny fiteny mahazatra  no tsy afa-niala sy tra-tehaka am-bodiomby omaly tetsy Ankazomanga. Voajono tamin’ny fintana nataony ihany izy roa lahy ireto ary heverina fa tsy ho ela dia ho tratra ihany koa ilay mpiray tsikombakomba aminy.

Omaly tokony ho tamin’ny folo ora maraina teo amin’ny cash point iray tetsy Ankazomanga. Roa lahy no tamy nanatona ity kioska ity ary nilaza fa hisy handefa vola, saingy tsy manana « compte » ka mba hindrana tamin’ilay mpitantana ilay toerana. Vola iray hetsy ariary no voalaza fa hisy handefa eo. Nanome ny laharana tokoa ity farany ary tsitapitapitr’izay tokoa dia tonga ny hafatra, saingy voalaza fa nihoatra be ny vola tonga ary lasa iray tapitrisa ariary. Niantso avy hatrany ilay olona nandefa vola ary niangavy tamin’ilay tompon’ilay tsena mba hamerina ny ambin’ilay vola, ary ny iray hetsy ihany no omena ireto roa lahy. Dia nataon’ilay mpitantana ilay toerana tokoa izay notenenin’ilay olona. Efa lasa lavitra ireto roa lahy vao niezaka nanamarina ilay hafatra tonga ilay tompony, kanjo hafatra tsotra ilay izy fa tsy hafatra manokana milaza fandraisam-bola akory. Niantso pôlisy niasa tsy lavitra teo ity farany. Izy ireo tsy nisalasala mihitsy nandray andraikitra ary nanao ny vela-pandrika. Naverina nantsoina ireo roa lahy naka ilay vola ary nolazaina fa mbola nisy tsy ampy ny vola azon’izy ireo fa tokony hiverina. Ary indreto tokoa fa dia tena niverina ireto mpijoko voajoko. Noraisim-potsiny. Efa niandry azy ireo fotsiny niaraka tamin’ny rojovy ireo mpitandro filaminana. Nentina avy hatrany nihazo ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna moa izy roa lahy ireto, hanaovana famotorana. Raha ny fantatra tokoa dia efa tsy tambo isaina intsony ireo « cash point » sy olon-tsotra lasibatry ny mpisoloky sy fandraikirekena ary ny teti-dratsin’izy ireo toy izany, saingy izao vao hita vatana sy voasambotra ireo anisan’ny mpanao azy. Enga anie mba hoe  santatra am-bava-rano fotsiny izao ary handray ny valin’asany avokoa ireo olon-dratsy …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici