- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversNosy be : Mpivady naratra mafy nandritra ny fanafihana

Nosy be : Mpivady naratra mafy nandritra ny fanafihana

Mitantana « cashpoint » no fiveloman’izy mivady. Ao amin’ny fokontanin’Ambodivoanio no misy izany. Ny alin’ny alatsinainy teo no nitranga ny fanafihana azy mivady ka nahalasa ny vola mitentina 23 tapitrisa ariary mbola ao anaty finday, ary koa efatra tapitrisa ariary mahery lelavola tao an-trano. Izany fandrobàna izany dia nialohavan’ny fandratràna azy mivady. Azo heverina ho fikasàna hamono mihitsy, satria tsy nisalasala nampiasa famaky ny mpandroba. Naratra mafy izy mivady ary ny tena nampalahelo dia behovoka efa ho fito volana ilay ramatoa. Kanefa dia tsy nananan’ireo olon-dratsy antra fa mbola noratrainy ihany. Samy naiditra hopitaly izy ireo ary omaly dia efa tsy misy ahiana firy ny ain’izy mivady, raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Ankehitriny dia mitaraina ny vahoaka ao Nosy-be noho ny afitsoky ny jiolahy. Mirongatra ny vaky trano sy ny fanafihana, toe-javatra izay tsy dia nisy firy tany aloha. Hita ihany ny tsy fahatongavan’ny mpizaha tany tao anatin’ny roa taona izay. Io sehatra io anefa no tena iveloman’ny mponina ao an-toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici