Saron’ny zandary i Ngeza sy ny tariny, izay voalaza fa mpanao fanafihana mitam-piadiana any amin’ny distrikan’i Befandriana Avaratra. Araka ny fanazavana, nisehoan’ny fanafihana tao amin’ny tranon’ny mpampianatra misotro ronono ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodimotso Atsimo, distrikan’i Befandriana Avaratra. Voaroba nandritra ny fanafihana ny lelavola 6 tapitrisa Ar. Raha izy niala maraina namonjy asa tanimbary, ka ny hariva vao nahatsikaritra fa nisy namaky ny tranony. Nidina ifotony nanao ny fikarohanany zandary ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, tratra tao Ambodimotso Atsimo ny lehilahy iray 22 taona. Rehefa nalaina am-bavany ity farany dia niaiky ny heloka vitany, ary nanambara fa i Da, 28 taona, mipetraka ao Ambodimotso Atsimo, no nomeny valobe mitentina 2 tapitrisa ariary tamin’io vola io. Natao ny fikarohana, ka ny alahady, tamin’ny mitataovovonana, dia voasambotra tao Ambodimotso Atsimo ihany koa ity farany. « Izany rehetra izany no tontosa dia noho ny fiaraha-mientana vokatry ny TAFA, satria ny vahoaka sy ireo olomboafidy ao an-toerana no anisan’ny nanamora ny fisamborana ireo olon-dratsy ireo. », hoy ny fanazavana. .
Nitohy, araka izany, ny fikarohana ireo voarohirohy ho isan’ny tompon’antoka tamin’ity raharaha ity ka anisan’izany i Ngeza, izay voalaza fa nandray ny ampahany tamin’io vola io ihany koa. Efa nampandrenesina ny lehiben’ny distrika sy ny manampahefana ao an-toerana, momba ireo olon-dratsy ireo. Nanaovana tatitra ny lehiben’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Mandritsara. Natao andrimaso ao amin’ny tobim-paritra Befandriana-Avaratra ireo olona voalaza etsy ambony ireo, mba hanaovana ny famotorana sy ny fanadihadiana ary hanohizana ny fikarohana. Nilaza ny tomponandraikitry ny zandarimaria any an-toerana fa tsy maintsy anaovana hazalambo ny naman’ireto jiolahy namaky trano tao amin’ity mpampianatra nisotro ronono ity. Sarona tao Marohazo sy kaominina Ambanivohitra Ambodimotso atsimo anatin’ny distrika Befandriana avaratra i Ngeza ny alatsinainy. Niaiky izy fa nandray vola. Natao andrimaso ao amin’ny tobim-paritra Befandriana avaratra izy hanaovana famotorana ary hatolotra ny fampanoavana.
Yv Sam