- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversRivodoza “Dumako” : Dibo-drano ny fokontany maro tao Toamasina

Rivodoza “Dumako” : Dibo-drano ny fokontany maro tao Toamasina

  1. Tsy misy fokontany na iray aza tsy nahitana rano teto Toamasina tao anatin’ny fandalovan’ny
  2. rambon’ny rivodoza “Dumako” teto Toamasina. Mandra-maraina dia tsy nitsahatra nijojo ny
  3. orana teto, ka tsy nitsahatra namonjy ireo niantso vonjy taminy ireo mpamonjy
  4. voina ao amin’ny kaominina ny tontolo alina.
  5. Nandritra ilay oram-be nentin’ny rivodoza “Dumako” dia feno rano avokoa ny Tanàna maro
  6. teto Toamasina, izany ny fokontany: Mangarano, Andranomadio, Ambohijafy,
  7. Ambalamanasy, Antseranampasika, Salazamay, Ankirihiry, Tanambao V, Tanamakoa,
  8. Valpinson, Ambolomadinika, Mangarivotra, “gare routière”, Dépot,…bazarikely. Afaka
  9. mitoetra eo anivon’ny “site d’hebergement” ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny rano ireo, ka
  10. olona maro no efa nandeha teo anivon’ny “gymnase” CRJS. Ankilan’izany dia fantatra ihany
  11. koa izao araka ny loharom-baovao avy amin’ny Jirama, fa tapaka ny tetezana mampitohy ny
  12. “central Volobe” sy Toamasina II vokatry ny fiakaran’ny rano tany an-toerana, midika izany
  13. fa tsy afaka mifandray amin’ny manodidina azy ireo mpiasa any an-toerana. Ankilan’izany
  14. dia miditra amin’ny fanavotana ireo vahoaka dibo-drano tao Toamasina II ny lehiben’ny
  15. distrika sy ny BNGRC ao an-toerana, tao amin’ny fokontany Ambodisaina no nanaovana
  16. izany omaly tontolo niaraka tamin’ny lakan’ny Bngrc. Tsy tao ihany no nahitana fiakaran’ny
  17. rano fa tao amin’ireo kaominina maro ao Toamasina II ihany koa, ka eo am-pamonjena
  18. azy ireo ny fanjakana amin’ny alalan’ny lehiben’ny distrika sy ny sampan’ny Bngrc.
  19. Ankoatra izany dia niakatra ihany koa ny rano ao amin’ireo distrika maro tao Analanjirofo tao,
  20. isan’izany ny tao Soanierana Ivongo sy tao Fenerivo atsinanana ary tao Vavatenina. Maro ny
  21. traboina vokatra izany noho ireo vahoaka dibo-drano noho ny orana sy fiakaran’ny renirano.
  22. Malala Didier
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici