Miroso hatrany ny fanadihadiana taorian’ilay fanafihana nitranga, herinandro lasa teo, tao amin’ny tranom-barotra iray manamorona an’iny lalam-pirenena fahatelo iny, teo Ambatomitokana, kaominina Ampaneva. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia nisy iray tamin’ireo jiolahy nokarohina fatratra tamin’io fotoana io no nitolo-batana tao amin’ny zandary tao Ambohimanarivo. Miisa fito ry zalahy tamin’io fotoana io no nanita-kevitra ny hanafika ity tranombarotra iray ity, ny alin’ny 09 febroary teo, ary niafara tamin’ny fifanandrinana tamin’ireo zandary tonga ara-potoana teny an-toerana. Hatreto dia nisy telo tamin’izy ireo no voasambotra sy azo sambo-belona, roa kosa no namoy ny ainy tao anatin’ny fifampitirana hatrany ary ny roa mbola karohina hatramin’izao. Basy vita gasy iray kosa no tra-tehaka tany amin’izy ireo ary fantatra fa mbola misy roa eny am-pelatanan’izy ireo. Raha ny vaovao azo moa, omaly maraina no tonga nitolo-batana teny amin’ny zandary ilay jiolahy fahadimy, rehefa namporisihan’ny fianakaviany sy ny sefo fokontany tao amin’ny fokontany nonenany teto an-drenivohitra. Marihana fa efa fantatra anarana ity farany ary efa hita ihany koa ny tranony, taorian’ny nanondroan’ny namany azy, ho isan’ireo mpanafika tamin’io fotoana io. Ireo namany, roa lahy, izay efa nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy, taorian’ny fisamborana azy ireo ny andron’ny fanafihana ihany. Marihana fa efa nisy ny baiko fampisamborana navoakan’ny Fitsaràna mahakasika ireto olon-dratsy ireto, ka omaly ihany dia efa natolotra teo anoloan’ireo mpitsara mpanao famotorana teny Anosy ity jiolahy nitolo-batana ity. Tamin’io ihany dia efa nampamonjena ireo namany eny Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Mitohy kosa ny fikarohana sy halazalambo atao amin’ireo roa lahy mbola tafatsoaka, izay sokajiana ho jiolahy raindahiny mitam-piadiana hatrany.
m.L