
Misy ireo efa tratra sy voasambotra kanefa mbola misy ihany koa ireo manao ny ataony ihany. Teny amin’iny faritra Andravoahangy iny, tao anatin’ny hetsika « coup de poing » tanterahin’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia tsy afa-niala teo anatrehan’ireo pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo tetsy Antaninandro intsony ireto mpisoloky amin’ny resaka vovo-bolamena, afak’omaly. Miisa efatra izy ireo, izay vehivavy lehibe ny iray, raha ny fanazavana azo. Ilay milaza mody mahita zavatra latsaka eny an-dalana moa ny tetik’ady ampiasain’ireto olon-dratsy ireto. Izany hoe, mialoha olona iray izay ho lasibatra ny iray tamin’izy ireo. Mody mandatsaka fonon-javatra ary lasa. Hitan’ilay olona ao aorianany izany zavatra izany. Ka raha iny handeha haka azy iny dia misy olona iray, naman’ireo mpisoloky, ilay ramatoa eto, milaza fa niara-nahita iny zavatra iny ka tsy maintsy hifampizarana izany zavatra latsaka izany. Ary izy mihitsy no manolo-tena manokatra ilay fonosan-javatra. Mody gaga avy eo fa vovo-bolamena no ao anatiny. Raikitra eo moa ny ady varotra ka nony farany dia milaza ilay ramatoa fa afaka entin’ilay olona ny vovo-bolamena saingy kosa mba mila zavatra sarobidy any amin’ilay olona ho takalon’ny anjarany : na finday na vola. Mazava ho azy, rehefa sendra ny fandraikirekena eo ilay olona dia manaiky tokoa hanome ireo zavatra notakian’ilay mpisoloky ary iny izy no tsy hita intsony nony avy eo. Ilay voasoloky nanantena tokoa fa nahazo sy nahita zavatra sarobidy, kanjo rehefa namarinana dia zavatra sandoka ny eny an-tanany. Marihana fa efa maromaro ihany ireo olona voa, mitaraina fatratra anaty tambazotra sosialy ao.
Mbola ao anatin’izay hetsika « coup de poing », notanterahan’ny polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo izay hatrany dia fantatra fa mpangalatra iray, efa tafiditra an-tokontanin’olona ihany koa no voasambotra tetsy Anjanahary, omaly tokony ho tamin’ny valo ora maraina. Ireo pôlisy nanao fisafoana an’elakelan-trano teny amin’iny faritra iny no naheno ny antso vonjy ka nandeha avy hatrany tany amin’ny toerana niavian’izany. Noraisim-potsiny teo ity olon-dratsy ity ary nentina natao famotorana tany amin’ny birao.
Samy omaly avokoa moa na ireo mpisoloky efatra mianadahy na ity mpangalatra nikasa hanao ny asa ratsiny ity no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika daholo.
m.L