- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Mpangarom-paosy mitrotro zaza

Mahamasina : Mpangarom-paosy mitrotro zaza

Iza tokoa moa no hanam-po hoe, olon-dratsy iny raim-pianakaviana mitrotro ny zanany matory iny ? Lehilahy iray tokoa no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny CUI (compagnie urbaine d’intervention), rehefa tra-tehaka nangarom-paosy tao anatin’ireny fiara fitateram-bahoaka ireny. Raha ny fampitam-baovao azo dia miafina ao ambadiky ny fitondrany ny zanany eny an-trotroana ity raim-pianakaviana mpanendaka ity no sady manao ny asa ratsiny ihany. Ireny fisisihana sy ny fiakarana ao anaty fiara fitateram-bahoaka ireny no ahavoazany, raha ny voalaza. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia tra-tehaka ny lehilahy, tetsy Mahamasina. Tsy nampoiziny velively mantsy ny fisiana pôlisy tsy manao fanamiana misafo ao anatin’ireny fiara ireny, izay isan’ny tafiditra ao anatin’ilay hetsika manokana ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena hiadiana amin’ity resaka tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra ity. Mbola nahitàna finday roa tany aminy, raha ny vaovao. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ranamana, izay mbola miaraka amin’ny zazakely, mba hofotorana.

Fa amin’izay resaka hetsika manokana izay dia fantratra fa nahatratra teo amin’ny 88 olona ireo tontakely sy mpanendaka no voasambotra sy fotorana eny anivon’ireo kaomisaria eto an-drenivohitra, miampy an’Atsimondrano sy Avaradrano. Voasambotra tao anatin’ny roa andro monja izy ireo, tao anatin’ny hetsika, ny alatsinainy sy ny talata lasa teo, raha ny fampitam-baovao azo. Marihana fa mitohy tsy an-kijanona ity hetsika manokana ity, raha ny voalaza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici