Nidina an-dalambe ireo mponina tao Nosy Varika, ny andron’ny alakamisy teo ary nitohy hatramin’ny alina, izay nisiana andian’olona, nikasa ny hamaky ny trano fitobian’entana ho an’ireo traboina. Voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana.
Araka ny fampitam-baovao azo dia niantomboka tamin’ny siosion-dresaka sy fiparitahana vaovao tsy marina tao anaty tambajotra sosialy izany korontana « kely » tany an-toerana izany. Efa hitan’ny rehetra fa tonga tao an-toerana mantsy izany fanampiana izany kanefa tsy mbola nozaraina. Tamin’izay no nisian’ny feo fa hoe olom-bitsy ihany no mahazo ary mazava ho azy fa ireo olona akaiky ny tompon’andraikitra any an-toerana. Izay zavatra izay no niteraka hatezerana tamin’ireo vahoaka ka nahatonga ny fidinana an-dalambe, ny alakamisy hariva teo. Nihaniakatra afo ihany ireo andian’olona ary tonga hatrany amin’ny famakiana ny trano nitobian’ireo vary, nokasaina ho zaraina. Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay nisiana tifi-danitra mihitsy, raha ny vaovao azo. Tsy nahavita loatra nanao izay zavatra nokasain’izy ireo atao ihany koa ireo andian’olona ireo, satria dia voaaro hatramin’ny farany ilay fitobian’entana. « Entana zara fa misy no lasan’izy ireo, hoy ny fanazavana azo, saingy, naverin’izy ireo ihany izany, omaly maraina, rehefa nisy ny fifandaminana ». Tamin’io alina io ihany moa dia efa nilamina tanteraka ny toe-draharaha tany an-toerana, taorian’ny fanazavana ny sain’ny vahoaka, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana hatrany.
Marihana fa saika ny 95 isan-jaton’ny mponina tao Nosy Varika no nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai avokoa. Antony nahatonga ny fimenomenomana mahakasika ny fizarana ireo fanampiana izay tonga tany. Araka ny angom-baovao azo anefa dia toa hoe mbola nisy toromarika nandrasana vao afaka nozaraina izany na dia efa tonga mialoha tao aza. Omaly moa dia efa niroso tamin’izay ihany ireo tompon’andraikim-panjakana tany an-toerana sy avy aty an-drenivohitra, raha ny fantatra.
m.L