Ankehitriny dia hita fa tena manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ny Foloalindahy amin’ny asa famonjena ireo mponina sy fanarenana iny faritra Vatovavy sy Fitovinany iny noho ny voina navelan’ny rivodoza Batsiraï teo iny. Omaly dia samy tany an-toerana avokoa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka. Nitsidika tao Vohipeno, faritra fitovinany ny delegiona notarihin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa. Niara-dia tamin’izany ny goverinora ny Faritra sy ny tomponandraikitry ny Tahiry hoan’ny Fampandrosoana na FID. Taorian’ny fijerena ny fahasimbana nahazo ny faritra dia tapaka fa alefa farak’izay haingana any an-toerana ny vary mora hanampiana ireo mponina amin’ny lafiny ara-tsakafo. Ankoatra izay dia namangy ny Ampanjaka tao amin’ny lapa Fenovola ao Ivato ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka no sady nitondra fanampiana ho azy ireo. Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy eo amin’ny Filaminam-bahoaka dia nanolotra moto ho an’ny Polisy any an-toerana ny Minisitra ka nandritra izany ny lazany ny tsy maintsy hanavaozana ny kaomisaria ao amin’ity distrika ity. Izany no natao dia ho fanamafisana ny fiarovana ireo mponina hialana amin’ny fanararaotana ataon’ireo olon-dratsy amin’izao voina mahazo ny faritra izao.
Efa nanomboka ny fiandohan’ity herinandro ity ny minisitry ny Fiaraovom-pirenena,ny Jeneraly Rakotonirina Richad no mitarika ireo miramila mananteraka asa famonjena any an-toerana. Ny 17 febroary teo ohatra dia ny kaomina Vohipao no nisitraka izany. Nanatitra ny fanampiana tany an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana avy any amin’ny faritra. Nitafatafa tamin’ireo vahoaka tao Vohipao ihany koa ny tenany izay nahafahana nihaino sy namantatra ny filan’izy ireo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ka namela takaitra mavesatra tamin’ity tanana ity. Faly ary velom-bolo tanteraka ny vahoaka nandray ireto fanampiana izay vary, menaka, voamaina, ronono, odimoka sy kojakoja maro samihafa. Notolorana fanafody ihany koa ny CSB2 ao Vohipao mba hahafahan’ny mponina misitraka fitsaboana maimaimpoana. Marihina fa ny fanaterana ireo fanampiana no andraikitry ny Minisitra sy ny delegasiona miaraka aminy. Nanatanteraka izany ny miaramila avy ao amin’ny Fari-piarovana sy fandriampahalemana na ZDS Matitanana. Tsy mijanaona hatreo ny andraikitry ny Tafika fa miara-misalahy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa ireo miaramila mpitsabo manao vonjy aina sy fizaham-pahasalamana ny vahoaka any an-toerana.
T.M.