- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFoiben’ny Telma Andraharo : Efa-dahy tratra ambodiomby nangalatra cable

Foiben’ny Telma Andraharo : Efa-dahy tratra ambodiomby nangalatra cable

Mpiambina tao amin’io toerana io ihany ny roa tamin’ireo voasambotra ireto, raha mpiray tsikombokomba amin’ireto farany kosa ny roa, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena.

Ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo tokoa dia tratran’ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina eny Ambohimanarina ny efa-dahy mpangalatra « cable » tao amin’ny ivontoeran’ny orinasam-pifandraisana iray tetsy Andraharo. Efa nahatratra hatrany amin’ny telonjato metatra tany ho any no efa voaongotr’izy ireo, raha ny fanazavana azo, no tonga tampoka ireo pôlisy. Ireto farany moa, taorian’ny antso nataon’ny mpiasa teo anivon’ny orinasa ity ny amin’ny fisian’ireto andian’olona ireto tafiditra tao amin’ny faritra nisy izany orinasa izany dia nidina avy hatrany teny an-toerana, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina teo ho eo. Tsy afa-nihetsika intsony araka izany ry zalahy mpangalatra ireto, izay mbola somokitra nanongotra izany tariby mavesatra izany, nony tonga ireo mpitandro filaminana, ary dia noraisim-potsiny. Nentina natao andrimaso avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria. Tamin’ny famotorana savaranonando natao azy ireo moa no nahafantarana fa mpiasa tao ihany ny roa, izay nanita-kevitra ny haka izany entana, miteti-bidy an-tapitrisany any ho any. Mazava ho azy fa efa nametraka fitoriana mahakasika azy efa-dahy ireto ilay orinasam-pifandraisana, ary raha tsy misy ny fiovàna dia mety hatolotra ny Fampanoavana anio ireto mpangalatra ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici