- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRico Donatien : Voasazy enin-taona an-tranomaizina

Rico Donatien : Voasazy enin-taona an-tranomaizina

Fampiasana taratasy hosoka, fitazomana rongony mahery vaika, fitazomana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna. Ireo no vesatra , antony nitsaràna an-dRandrianarison Rico Donatien, fantatra amin’ny hoe « Rocco dans encore », rehefa nandeha tao Mahajanga ny raharaha. Ankoatra ny sazy an-tranomaizina mandritra ny enin-taona dia misy koa ny lamandy mitentina 200.000 ariary haloany. Raha tsiahivina dia ny 5 febroary lasa teo izy no nosamborin’ny zandary tany Mahajanga raha mbola tao anaty fiara. Nahitàna rongony sy poleta tany aminy nandritra ny fisamborana azy, ary izany koa no isan’ny vesatra voalohany nanenjehana azy. Andro vitsivitsy talohan’io no nisy filazàna fikarohana azy avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Toe-javatra efa indroa nihatra tamin’ity lehilahy ity izany. Nisy fotoana koa izy efa nosamborina teto an-drenivohitra rehefa namoahana filazàna fikarohana. Notoheriny teny amin’ny fitsaràna izany ary dia afaka indray izy. Tamin’izay dia fampiasana hosoka tamin’ny resaka fiara no nanenjehana azy, ary ny vadiny teo aloha ihany no mpitory. Raha ny tsilian-tsofina re dia tambajotra amin’ny resaka varotra tany no isan’ny manenjika an’i Rocco, izay mandraharaha amin’izany sehatra izany koa.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici