- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTetezan-dRamala Isotry : Nitsoaka avy nanendaka kanjo nifanena tamin’ny pôlisy

Tetezan-dRamala Isotry : Nitsoaka avy nanendaka kanjo nifanena tamin’ny pôlisy

Tonga amin’ilay fitenenana hoe « nifanena tamin’ny mpaka kitay » ireto mpanendaka roalahy teo ambony tetezan-dRamala Isotry ny alahady lasa teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy dia avy nanendaka vehivavy iray teo amin’io toerana io, ireto roalahy ireto tamin’io fotoana.  Handeha hamonjy fodiana ity farany no narahan’izy roalahy avy ato aoriana, ary nanamparan’izy ireo ny asa ratsiny rehefa sendra mangingina sy tsy dia be olona intsony. Rehefa azon’izy ireo ny zavatra nalainy teny amin’ilay vehivavy dia nitsoaka nihazo elakelan-trano tsy lavitra teo ireto mpanendaka roalahy. Kanjo tamin’io fotoana io indrindra no nanatanteraka fisafoana an’elakelan-trano, ao anatin’ny hetsika « coup de poing » ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra. Tsy afa-niala intsony fa dia noraisim-potsiny ireto tontakely ireto tamin’io fotoana io.

Fa ao anatin’izay hetsika manokana « coup de poing » ataon’ny pôlisy izay ihany dia fantatra fa efa-dahy, ahiahiana amin’ny resaka vaky trano, hala-botry ary fidorohana zava-mahadomelina no voasambotry pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo tamin’io andron’ny alahady io ihany, teny Anjanahary, Andrahavoahangy ary Ambohimirary. Torak’izany ihany koa,  teny Atsimondrano teny, mbola ao anatin’ity hetsika manokana ity hatrany dia lehilahy iray, izay voalaza fa efa tena hikoizana amin’ny resaka fanendahana sy vaky trano sy hala-botry isan-karazany no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Itaosy, omaly. Voalaza fa eny amin’iny faritra Andranonahoatra sy ny manodidina iny no tokontany filalaovany ary efa maro no efa nitondra faisana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici