- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrianomby : Narodana ny tranon'i Pety sy ny havany

Ampandrianomby : Narodana ny tranon’i Pety sy ny havany

Trano roa no indray narodana omaly tetsy Ampandrianomby. Olona maromaro no tonga teny an-toerana ary nanatontosa an’izany. Trano izay raha araka ny fanazavan-dRamatoa Ialy Rakotoniaina, vadin’i Pety Rakotoniaina, dia efa nipetrahan’izy ireo an-taonany maro. Nilaza koa ny tenany fa tsy mba nisy filazàna mialoha momba ny fandrodanana ary tena tampoka ho an’ny fianakaviana ny zava-nisy. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany omaly no tonga teo an-toerana ny tale jeneraly eo anivon’ny ministera iray niaraka tamin’ny ekipany. Raha nieritreritra ireo mponina fa mbola hiresadresaka ny anton-dian’izy ireo, avy hatrany dia fandrodanana no nitranga, raha araka ny fanazavan’Ialy Rakotoniaina hatrany. Nizara ny alahelony ilay ramatoa izay tra-boina tampoka tamin’ny fotoana tsy nampoizina, indrindra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao. Misy jeneraly iray mipetraka koa ao anatin’ity tanàna noravàna ity ary hilaza haneho ny heviny izy anio.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici