Maro tokoa ireo mitaraina amin’ny afitsoky ny jiolahy mitam-piadiana izay tena nirongatra tokoa tao ho ao izay ao an-tampon-tanan’i Mahajanga ao, indrindra fa manodidina ny fokontany Tsararano sy eny amin’ny manodidina ny Jirama, Amboaboaka, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Toy ny eto an-drenivohitra ihany dia nisy ny hetsika manokana nataon’ireo mpitandro filaminana, entina miady amin’izany. Omaly sy afak’omaly dia tsy tapaka ny fiambenana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy, izay fantatra amin’ny anarana hoe « bande des 4 ». « Nahitam-bokany izany satria tokony ho tamin’ny 8 ora alina, ny alatsinainy teo, no hitan’ny Polisy nihaodihaody teo Tsararano ny iray tamin’ireo jiolahy ireo ka nosamborina avy hatrany », hoy ny vaovao. Ny ampitson’io, rehefa nanaiky ny hanoro ny namany ity voasambotra voalohany ity dia niroso tamin’ny fisamborana indray ireo mpitandro filaminana. Nosamborina tao Amboamboaka ity farany saingy sahy nanohitra ireo pôlisy. « Voatery nitifitra ireto farany. Voa teo amin’ny lohany sy ny feny ity olon-dratsy ity ka naratra mafy vokatr’izany. Noesorina taminy avy hatrany ireo antsy nentiny nanoherana ny fisamborana azy. Nentina namonjy toeram-pitsaboana tao amin’ny CHU Androva faingana kosa izy ».
Tsy mijanona hatreo anefa ny hetsika, raha ny fampahafantarana azo, fa mbola mitohy hatrany, mandra-paharava tanteraka izany andian-jiolahy nampitondra faisana olona maro izany tany an-toerana.
m.L