- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpianatra be fiantrana, lasa daholo ny entana tao an-trano

67ha : Mpianatra be fiantrana, lasa daholo ny entana tao an-trano

Satria tsy nanana toerana hipetrahana ity tovolahy iray dia tao amin’ny namany, mpianatra iray teny amin’ny faritra 67ha iny, no nandray azy. Indrisy anefa fa tsy mba zava-tsoa no navalin’ity olona niantràna … Tapitra navoakany sy nangalariny avokoa ireo entana rehetra tao amin’ity namany niantra azy. Nanomboka tany amin’ny solosaina ka hatrany amin’ny akanjo fitafy. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy dia efa naharitra fotoana ela ihany ity ranamana ity no nipetraka tao amin’ity mpianatra ity, saingy izao vao nivoaka ny naha-olon-dratsy azy.

Taorian’ny fitoriana napetraky ny tompon-trano dia nidina avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy miasa etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, omaly antoandro. Tra-tehaka ary tsy afa-niala intsony teny an-toerana ity tovolahy mpangalatra ity. Tamin’ny fotoana nisamborana azy moa dia voalaza fa nahitàna zava-mahadomelina teny aminy. Mpitsindrona irony rongony mahery vaika irony ny lehilahy ary mbola hita tany aminy rahateo aza ny fitaovana fanaovany izany. Nentina natao andrimaso ho amin’ny famotorana savaranonando tany amin’ny biraon’ny kaomisaria avy hatrany moa ity tovolahy ity, mandra-piandry ny fotoana hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici