
Mitohy ihany ity fakàna an-keriny olona variry ity, indrindra any atsimo. Vehivavy iray 36 taona no nisy naka tao Sakalalina-Ihosy, 12 andro lasa izay. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia hitan’ny polisy ny toerana nanafenana ilay vehivavy. Natao ny paika rehetra tamin’ny fanavotana azy ary nahomby izany. Olona sivy no voasambotra tamin’ity raharaha ity. Salama tsara ilay nalaina an-keriny na dia ela ihany aza no nitazomana azy. Miady aman’aina ankehitriny ny olona variry mipetraka any atsimo. Isan’ny nampalahelo ny olona ny nahazo ilay zaza variry izay nalaina an-keriny ary nesorina ny masony. Hatreto dia hanaovana sorona, raha araka ny voizina, no ilaina azy ireny saingy na izany aza tsy mbola tonga tamin’ny fanamarinana izany ny fanadihadiana izay efa nandeha. Alaina an-keriny, vonoina, alaina taova. Izany no ady isan’andro iainan’ireo olona variry any atsimo.
D.R