- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRangahy voalaza hanao fakana an-keriny : Nosamborina sy nampijalian’ny polisy ilay mpiambina ny...

Rangahy voalaza hanao fakana an-keriny : Nosamborina sy nampijalian’ny polisy ilay mpiambina ny tale jeneraly

Ny 14 febroary teo dia nosamborina sy nampijaliana ity rangahy iray voalaza fa nikasa haka an-keriny ity tale jeneraly iray miasa sy monina eto Toamasina. Ny mpiambina ity tale jeneraly ity no nisambotra sy nampijaly azy tao anaty Tuc-Tuc teo anoloan’ny tranombarotra “score” teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena.

Raha ny fitantaran’ity rangahy nosamborina sy nampijaliana tao anatin’ny fiaran’ilay tale jeneraly ity, dia nodarohan’ilay mpiambina ity tale jeneraly ity ny tenany. Tsy nisy indra fo ny daroka nahazo azy teo imason’ilay tale jeneraly fa dia nanararaotra taminy ilay mpiambina manokana ary nampiditra azy tao anatin’ny kaomisarian’ny polisy manokan’ny seranan-tsambo. Nanomboka teo amin’ny tranombarotra “score” ny daroka nahazo azy ary tsy nitsahatra, hoy ity rangahy voadaroka ity, raha tsy tonga teny amin’ny kaomisarian’ny seranan-tsambo. “Mikasa haka an-keriny ny tale jeneraly” no nihazonana ity rangahy ity nanaovana fanadihadiana azy tao amin’ny polisin’ny seranan-tsambo ity; izay nihazonana azy tao amin’ny “violon” tanatin’ny telo andro, nefa tsy nalefa teny amin’ny fampanoavana akory ny raharaha fa navotsotra fotsiny ity rangahy nolazaina haka an-keriny ity. Tao anatin’izany dia tafiditra hopitaly mihitsy ity rangahy ity taorian’ny daroka sy fanadihadiana natao azy tao amin’ny polisin’ny seranan-tsambo. Vokatr’izany dia nisy mihitsy ny fakan’ity rangahy ity “certificat medical”, izay nahazoany fetr’andro 21, noho ny ratra nahazo azy. Raha ity fetr’andro navoakan’ny mpitsabo tao anatin’ny “certificat medical” ity, dia mety hampiditra vonjy maika am-ponja ny mpidaroka ity raharaha ity.

Ankilan’izany dia nisy ny tafa nifanaovana tamin’ny talem-paritry ny filaminana anatiny, izay nilazany fa tsy nahalala izany raharaha izany ny tenany, nefa resaka fakana an-keriny no voalaza tamin’ity raharaha ity. Tao anatin’izany dia nisy koa ny resaka nifanaovana tamin’ilay tale jeneraly nolazaina fa hisy haka an-keriny ny alakamisy 24 febroary 2022 tamin’ny 8 ora alina, tamin’ny alalan’ny antso an-tariby. Nilaza izy tamin’izay fa narahana andian’olona nitaingina Tuc-Tuc ny fiara nitondra azy raha vao nivoaka ny vavahady, araka ny antso finday voarain’ny mpamilin’ity tale jeneraly ity. Tonga hatreny amin’ny tranombarotra “score” araben’ny fahaleovan-tena izany fanarahana azy ireo izany; ary teny koa no tratran’ny mpiambina ity tale jeneraly ity ilay Tuc-Tuc nitondra ity rangahy nanara-dia ny tale jeneraly. Voalaza tamin’izany dia fantatra fa efa mpiambina ny tranon’ny tale jeneraly teo aloha ilay rangahy nosambirina ity; ary nambarany fa tsy nisy ny daroka natao taminy izany tao anatin’ny fiara nitondra azy teny amin’ny kaomisaria manokan’ny seranan-tsambo. Nambara nandritra ity tafa ity fa niaiky ilay rangahy teny amin’ny polisy fa nanao fanarahan-dia ny tale jeneraly mihitsy ny tenany, ka noho ny fiekeny izany dia tsy nihazona sy tsy nandefa azy teny amin’ny fitsarana ilay tale jeneraly.

Ankoatra izany dia milaza fa handefa ny raharaha eny amin’ny fitsarana ilay rangahy voalaza fa voadaroka, amin’ny alalan’ny “certificat medical” 21 andro navoakan’ny mpitsabo azy teny amin’ny hopitaly be. Miandry izany koa anefa ilay tale jeneraly satria nanamafy izy fa tsy nisy daroka natao tamin’ity rangahy ity izany mihitsy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici