- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversBehenjy : Mpangalatra « sigara » nifanenjehan’ny fokonolona

Behenjy : Mpangalatra « sigara » nifanenjehan’ny fokonolona

Hiaraha-mahalala tokoa ny fiakatry ny vidin’ny sigara. « Ny mi-douze (ndlr mifampizara sigara mirehitra) aza efa mila tsy hahazo » hoy ny hanihanin’ireo zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Vakinankaratra. Asa raha izay ve no nanosika azy efatra mianadahy ireto, hangalatra sigara, hanesy ireo fivarotana rehetra teo Behenjy ?

Raha ny marina, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpitandro filaminana dia tsy sigara ihany no nalain’izy ireo am-pitaka fa na hatramin’ireo « bonbons » sy « biscuits » ary « pates » eny amin’ireo fivarotana madinika teo an-toerana. Efatra izy ireo, roa lehilahy ary roa vehivavy, izay samy miparitaka tamin’ireo tsena kely teo an-toerana. Toy ireny olona avy any ambanivohitra ireny, mi- « commande » entana maromaro izy ireo eo amin’ilay tsena, ary mampiditra avy hatrany ireo entana, izay zarazarainy amin’ny gony sy sakaosy. Rehefa mitaky ny vola amin’izay ny mpivarotra dia milaza fa hoe « aleo hiandrasana ny vadiny atsy ambadika atsy fa aloany eo avy eo ». Mody miondrikondrika eo anefa ary avy hatrany dia manao tari-dositra, nitondra ilay entana tao anaty sakaosy, raha najanony kosa ilay tao anaty gony. Soa ihany, nisy ny firaisan-kinan’ireo mpivarotra izay efa leo azy ireto ary nifanenjehana avy hatrany izany mpangalatra izany, ary voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Behenjy ihany. Samy voasambotra avokoa izy efatra tamin’io fotoana io, ary mbola tra-tehaka tany amin’izy ireo, ny entana nangalariny. « Amin’ny ariary avokoa no alain’ireo mpivarotra amin’ireto karazan’entana ireto kanefa tadiavin’ireto olona ireto alaina maimaimpoana fotsiny, izay tsy azo ekena ary voararan’ny lalàna » hoy hatrany ireo zandary. Notanana natao andrimaso avy hatrany moa izy ireo hatao famotorana. Maromaro ihany koa mantsy ireo mpitory ireo mpangalatra ireto, ary aorian’izay dia hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici