Tsy hiadian-kevitra intsony fa tena miparitaka izay tsy izy itony zava-mahadomelina, rongony mahery vaika itony. Mazàna dia eny amin’ireo faritra be olona no tena ahitàna azy mitobaka, izay amidin’ireo mpaninjara amin’ny vidiny 2500 ariary, toy eny Antohomadinika raha 5000 ariary ny iray grama eny Ambohimanarina, raha ho an’ny « heroine », araka ny fantatra tamin’ny famotorana natao tamin’ny roa lahy izay tra-tehaky ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina.
Ny faran’ny herinandro lasa teo tokoa dia nisy ny angom-baovao azon’ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fisiana olona mpanaparitaka rongony mahery vaika « heroine », teny amin’iny faritra Antohomadinika sy Ambohimanarina iny. Tsy niandrasana ela fa nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo nanamarina ny vaovao ary dia tra-tehaka tao tokoa ny lehilahy iray, raha ny tetsy Antohomadinika. Mbola nahatratrarana « heroine » tamin’ny fonosana miisa teo amin’ny 26 teo moa tany aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Taorian’izay, teny Atanjombe Ambohimarina ihany koa dia nisy tovolahy iray voasambotra, mpivarotra heroine amin’ny fonosana. Ity farany moa dia mbola nahatratrarana fonosana 27 isa, miampy fitaovana isan-karazany fihinanana sy fitsindromana izany tao an-tranony. Niara-nanaiky moa izy roalahy ireo fa sady mihinana no mivarotra. Raha ho an’ilay iray voalohany tratra teny Antohomadinika dia nambarany fa vidiany 2000 ariary ny iray fonosana ary hamidiny 2500 ariary avy eo, raha ilay iray tetsy Ambohimanarina kosa dia nilaza fa 3000 ariary no handraisany ny iray fonosana ary hamidiny 5000 ariary avy eo. Samy mahalafo eo amin’ny 30 fonosana isan’andro eo kosa izy roalahy tamin’ny famotorana natao azy ireo hatrany. Izany hoe efa tena betsaka ireo mpanjifa an’ity karazana rongony ity eny amin’ireo faritra ireo. Marihana fa izany 30 fonosana izay dia manodidina ny 1 na 2 grama eo ho eo. Tamin’ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa samy mbola vaovao amin’izany fibizinana heroine izany ireto voasambotra ireto. Samy mpandray izany avokoa mantsy ary teo no nitsiry ny hevi-dratsy ny hanaparitaka sy hivarotra izany zava-mahadomelina izany ihany koa. Taorian’ny famotorana azy ireo dia efa samy nadoboka am-ponja vonjimaika izy roalahy ireto. Heverina fa hitohy foana ny fanadihadiana, ahafahana manjono ireo mpaniraka sy trondro vaventy ao ambadik’izao bizina rongony mahery vaika izao.
m.L



