- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversSoavimasoandro : Raim-pianakaviana, imbetsaka nanolana ny zanany vavy

Soavimasoandro : Raim-pianakaviana, imbetsaka nanolana ny zanany vavy

Potika tanteraka ity zazavavikely vao 13 taona monja, izay niharan’ny herisetra ara-nofo. Tsy iza tsy akory no nahavita nanao izany fa ny rainy niteraka azy ihany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tranga niseho tetsy Soavimasoandro ny herinandro lasa teo.

« Nohon’ny filany fotsiny ihany no nahatonga azy nanolana io zanany io ary tsy vao voalohany no nanaovany izany » hoy ny filazany nandritry ny famotorana natao azy. Ny alahady teo mantsy no voasambotry ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona ity ray adala ity. Ny renin’ilay zaza, izay nahatsikaritra fihetsika hafahafa teo amin’ilay rainy sy ilay zaza no nandeha nametraka fitairanana avy hatrany teny anivon’ny pôlisy. Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireo mpitandro filaminana. Nisy ny fitondrana ilay zazavavikely tany amin’ny mpitsabo, hanamarinana ny ahiahian’izy ireo. Teo no fantatra sy voaporofo fa efa potika tanteraka ity ankizivavy kely ity. Rehefa nanontaniana mahakasika izany ity farany dia nilaza fa ny rainy ihany no nahavita nanampatra ny filan-dratsiny taminy.  « Rehefa matory amin’ny alina izy dia ataon’ilay raim-pianakaviana ampovoan’izy mivady ka eo no anamparany ny filan-dratsiny » hoy izy. Tsy sahy niteny sy nilaza tamin’ny reniny ity zaza ity, teo aloha noho ny vono sy daroka ataon-drainy aminy, raha vao nikasa hanatoroka, hoy ny vaovao. Ary mbola hiharan’izany ihany koa raha vao tsy mety manaiky ny sitrapon’ity raim-pianakaviana ity.

Nidina avy hatrany teny an-toerana moa ireo pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona, hisambotra ity lehilahy ity, saingy nandositra sy tsy tratra tao an-tokatranony ilehio. Ny alahady teo no nisy nahita teny amin’iny faritra Soavimasoandro iny izy ka tamin’izay no nanararaotana nisamborana azy. Niaiky ny heloka vitany moa ingahirainy rehefa natao famotorana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici