- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversJirama : Toamasina Tapitra hatreo ny delestazy nampiharina

Jirama : Toamasina Tapitra hatreo ny delestazy nampiharina

Taorian’ny nampiharana ny delestazy nataon’ny Jirama Toamasina noho ny tsy fahampian’ny herinaratra novokarina vokatry ny fahasimban’ny fitaovam-pamokarana, dia efa miverina amin’ny laoniny ny fahazoana ny herinaratra ho an’ny mpanjifa. Raha ny nambaran’ny Jirama Toamasina dia mahatratra 27MW hatramin’ny 29MW ny filana isan’andron’ny mpanjifa, nefa efa tonga hatramin’ny 31MW ny herinaratra vokarin’ireo fitaovam-pamokarana eo anivon’ny Jirama Toamasina; izany hoe ny fitaovan’ny Jirama mamokatra 08MW amin’izao, ny ao Volobe Toamasina II mamokatra 06MW, ny Enelec mamokatra 16MW amin’ireo fitaovana ao aminy, ary ny fitaovana nomen’Ambatovy mamokatra 01MW ireo “groupes” roa. Amin’izao fananan’ny Jirama Toamasina ambimbava 04MW hatramin’ny 02MW isan’andro izao dia tapitra hatreo ny fanaovana delestazy na fanapahana mifandimby eto Toamasina tapa-bolana lasa izay. Nanamarika anefa ny Jirama fa mety hisy ihany ireo fahatapahana (coupure) tsy ampoizina indraindra, dia miangavy fiaraha-miasa ny Jirama amin’ny fampandrenesana azy ireo amin’ny alalan’ny fandefasana hafatra miafina amin’ny “#jiramatoamasina”, na koa hiantso ny laharana 034.83.671.52 na koa 3547. Ankoatra izany dia nanamarika ny vondron’ny mpanjifa eto Toamasina, fa ny ilain’ny vahoaka mpanjifa dia fahazoana herinaratra tsy tapatapaka, satria mahavita ny adidiny amin’ny fandoavana ny saran’ireo herinaratra na ireo rano laniny izy ireo hatramin’izay ka hatramin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici