Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ne efa namoahan’ny polisim-pirenena filazana fikarohana i Rambelosaona Mamy Jean Claude. Ity lehilahy ity izay enjehana noho ny resaka fisolokiana amin’ny resaka varotra tany. Tsotra ny fomba fiasany amin’izany ka hanjonoany ireo olona hoveleziny. IRETo farany izay voalaza olona fantany sy mifanerasera aminy ihany. Milaza izy famanana tany amidy mora ka reseny lahatra amin’izany ireo olona tiany ha fitahina. Roboka tokoa ireto farany ka manome vola vola azy. Manomboka eo anefa dia mivoaka ny hevi-petsiny satria dia ariarainy amin’izay ireo nahazoany vola. Avy eo izy dia manjavona tsy hita intsony izay misy azy. Noho izany, enjehana noho ny fivadiam-pitokisana ity lehilahy ity izay fantatra fa mpitatitra na « transporteur » no asany ary tao Analamahitsy Cité (Lot IIM 491 TER) no toerana nahitana azy farany. Koa iangaviana izay mahita na mahalala azy mba hampandre ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faharoa etsy Anosy na koa hiantso ny laharana 034 05 517 26.
Iangaviana izay mahita na mahalala azy mba hampandre ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika faharoa etsy Anosy na koa hiantso ny laharana : 034 05 517 26. Manamafy moa ny polisim-pirenena fa tanana ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Mampahatsiahy ihany koa anefa ny mpitandro ny filaminana fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehana araka ny lalàna.
T.M.



