Accueil Faits-Divers Oram-be teto Antananarivo : Ankizy efatra maty nentin’ny riaka ny Talata teo

Oram-be teto Antananarivo : Ankizy efatra maty nentin’ny riaka ny Talata teo

Oram-be teto Antananarivo : Ankizy efatra maty nentin’ny riaka ny Talata teo

Nitera-doza indray ilay oram-be nitranga ny tolakandron’ny Talata lasa teo teto Antananarivo iny. Fantatra izao fa ankizy efatra no maty vokatry ny riaka be ka nanafotra tanàna sy lalana maro. Ny tarehimarika azo avy eo anivon’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalàna no nahafantarana ny fisiana ankizy roa, 10 sy 9 taona lasan’ny riaka teny Anjanahary. Zazavavy 10 taona iray hafa kosa teny Ambatobe. Araka ny fanazavana azo dia fianjerana tao anaty rano avokoa no nahatonga ireo fahafatesana ireo. 

Mpianatra. Ankoatra ireo telo voalaza tetsy ambony ireo, fantatra fa mbola nisy ankizivavy vao 7 taona monja ihany koa no maty teny Antsobolo teny. Omaly no naterin’ny BMH tao amin’ny tranom-paty etsy amin’ny hôpitaly Ampefiloha ny vatana mangatsiakan’io ankizy io. Araka ny loharanom-baovao dia mpianatra ao amin’ny sekolim-pinoana iray eny an-toerana ity maty ity. Vozalaza fa teo amin’ny toerana antsoina hoe Antetezambato, toerana fanasan-damba nefa ataon’ny olona lalana hiampitana ihany koa no nentin’ny riaka ity ankizy ity raha handeha hody nirava avy nianatra. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa ankizy telo izy ireo no niaraka netin’ny rano tamin’io fotoana io saingy voavonjin’ny fokonolona haingana ny roa. Ity farany kosa no tsy avotra ka tany amin’ny 500 metatra miala ilay fiampitana vao hita ny razana. Izao tranga izao dia tokony hampisaina ireo tompon’andraikitra ihany ny amin’ny tokony handraisana fepetra hiarovana ny ain’ireny mpianatra ireny. Tsara raha ravana avy hatrany ny mpianatra raha vao hita fa mananontanona ny orana mba hahafahan’izy ireny mamonjy fodiana tsy amin’ny ahiahy. Mbola ho ela tokoa vao hifarana ity fotoam-pahavaratra ity. 

T.M.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici