- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversHalatra motô : Manamafy ny hetsika ny pôlisim-pirenena

Halatra motô : Manamafy ny hetsika ny pôlisim-pirenena

Tsy maintsy voasava daholo ireo moto mivezivezy.

Tao anatin’ny iray volana mahery tokoa izay no nanao ny hetsika manokana, entina hiadiana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena. Ao anatin’izany ny fanenjehana ireo tontakely, mpanendaka sy mpangaraom-paosy eraky ny elakelan-trano ary indrindra indrindra ny ady atao amin’ny resaka halatra môtô sy ny herisetra mihatra amin’ireo mpitondra izany. Raha mikasika ireto tranga farany ireto manokana dia fantatra anisan’ny paik’ady nampiasain’izy ireo ny fisafoana tsy tapaka ireo elakelan-trano, izay mazàna lalana falehan’ireo mpangalatra rehefa avy maka izy ireo. Fa eo ihany koa ny fisavàna tampoka ireo môtô mandeha eny andalana, na ireo môtô misy mitondra izany ary indrindra ireo môtô misy manosika. Nahitam-bokany tokoa izany ezaka sy ny paik’ady nampiharina izany hoy izy ireo satria nahitàna fihenany ireo tranga voalaza etsy ambony. Raha teo aloha teo mantsy dia saika isan’andro dia nahenoana na halatra môtô na mpitondra môtô nisy nidaroka tetsy sy teroa. « Raha ny volana febroary 2022 teo manokana dia nahatratra 12 ny fitarainana voaray teo anivon’ny pôlisim-pirenena mahakasika ny fahaverezana moto, ary trangana daroka « Bois rond » iray kosa no naharaisana fitarainana » hoy ny fampitam-baovao azo. Tamin’ireo tranga ireo moa dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny pôlisy ary natao izay fomba rehetra hikarohana ireo môtô very araka ny fanazavana azo hatrany. Tsy niandry ela tokoa dia nody ventiny ny rano natsakainy satria dia nisy môtô miisa fito be izao no indray hita fotoana vitsy taorian’ny nahaverezany. « Tsy mitsahatra hatreo ny ezaka ataon’ny pôlisy fa mitohy hatrany mba hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra »,  raha ny nambaran’izy ireo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici