Toa hoe efa fantatra fa tsy mahay milomano ity miaramila mpiofana ho « commando » ity ary efa nomena toromarika manokana, saingy tsy voaraka an-tsakany sy an-davany izany ka izao namoy ny ainy izao izy, raha ny angom-baovao azo.
Ny alarobia hariva lasa teo dia nitrangana loza, tsy dia fahita loatra tao amin’ny toeram-piofanana « commando » tao Ambatolaona. Miaramila iray, isan’ny mpiofana ho amin’izany no namoy ny ainy, rehefa natelin’ny rano, nandritra izany fiofanana izany. Tamin’io fotoana io dia taranja iray miompona betsaka amin’ny resaka lomano sy fahaizana milomano no nampianarina ireto « commando » ireto. Taranja izay tsy maintsy ataon’ireo mpiofana rehetra izay mandalo ao amin’io ivon-toerana io. Ho an’ireo tarika ireto dia tamin’io fotoana io no nantanterahana ilay taranja. Voalaza anefa fa toa hoe efa fantatr’ireo tompon’andraikitra fa tsy mahay milomano ity miaramila, ho hery vonjy taitra manokana eo anivon’ny foloalindahy ity. Efa nisy araka izany ny toromarika nomena azy, mba tsy hivoahany ireo faritra alehan’ny besinimaro ary somary hanara-tsisiny kokoa. Saingy heverina fa noho ny tsy fahaizany nilomano dia nivaona izany faritra izany ny lehilahy ary dobo an-drano. Niezaka namonjy azy ihany ireo tompon’andraikitra sy ny mpiara-miofana aminy, saingy tao anatin’ny fotoana vitsy dia efa natelin’ny rano izany miaramila, 25 taona ity. Raha ny vaovao azo hatrany dia toa hoe tany amin’ny fito metatra ambanin’ny rano ary efa alina vao hita ny vatana mangatsiakany. Nampiakarina an-tanety tamin’io ihany moa ny razana ary efa nozahan’ny mpitsabo tao amin’ity ivon-toerana fanofanana « commando » ity, alohan’ny hanaterana izany ho any amin’ny fianakaviany. Koa satria nisy aina nafoy dia heverina fa tsy maintsy hisy ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.
m.L




