- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntohomadinika : « Heroine », 55 000 ariary ny iray grama

Antohomadinika : « Heroine », 55 000 ariary ny iray grama

Sady mitsindrona no maka tombony amin’ny fivarotana rongony mahery vaika, « heroine » ity lehilahy iray, saron’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’iny faritra Antohomadinika iny.

Araka ny nambarany dia mahazo tombony eo amin’ny roa alina ariary isaky ny grama eo ny anao lahy. Jifainy amin’ny vidiny 55 000 ariary mantsy ny iray grama amin’izany. Tsinjarainy ho amin’ny « sachet » kely miisa dimy indray ary hamidiny 15 000 ariary tsirairay izany avy eo. Mazava ho azy, ireo mpibizina kely madinidinika aty afara indray avy eo mividy izany, ary ireny ilay hita teny amin’ireo faritra maro eto an-drenivohitra amin’ny vidiny telo arivo ariary na roa arivo ariary akory aza. Ho an’ity tovolahy 26 taona voasambotry ny pôlisy ity dia mbola nahatratrarana heroina milanja teo amin’ny 6,96 grama tany aminy niaraka tamin’ny fitaovana maromaro toy ny fandanjàna sy karazana « seringue » hitsindromana izany rongony izany. Raha ny nambaran’ny tamin’ireo mpanao fanadihadiana hatrany dia efa ela ity tovolahy ity no mpitsindrona izany zava-mahadomelina izany. Niato kely iray volana ary niverina indray. Nanita-kevitra ny hivarotra sy haka tombony taty aoriana. Ankoatr’ireo mpibizina sy mpidoroka mbola te haka tombony dia maro isan-karazany amin’ny saranga samihafa no vatsiany izany rongony mahery vaika izany.

Tato anatin’ny andro vitsivitsy tokoa izay saika manodidina an’Antohomadinika teny avokoa no nisamboran’ireo pôlisy ireo mpidoroka sy mpanamparitaka an’itony zava-mahadomelina mahery vaika itony. Milaza izany fa mety tsy lavitra eo ihany ny mpamongady mamatsy azy ireo. Ity tovolahy voasambotra ity moa, raha ny fanazavana avy amin’ny pôlisy dia nilaza tamin’ny fanadihadiana azy fa eny an-toerana ihany izy no manjifa izany « heroine » izany. Heverina araka izany fa hitohy sy hizotra ho amin’ny fisamborana ireo trondro vaventy ireo ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici