- Publicité -
mercredi, septembre 9, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKamiao namoa-doza tao Anjozorobe : Notazonina hohadihadiana ilay mpamily tompony

Kamiao namoa-doza tao Anjozorobe : Notazonina hohadihadiana ilay mpamily tompony

Ny andron’ny alahady hariva, nisehoan’ny loza ihany dia efa nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatomanoina nanao ny fanadihadiana rehetra. Tamin’io ihany koa moa dia efa notanana natao andrimaso sy hofamotorana ny mpamily, izay henjehina noho ny vono olona tsy fanahy iniana, tsy fanajàna lalàna mifehy ny fifamoivoizana izay mahafoaka ny tsy fitondrana olona amin’ny fiara mpitatitra entana, tsy fanajàna ny isan’ny olona voafaritra ao anatin’ny « carte grise », ary ny fandehanana mafy anaty tanàna, izay isan’ny nahatonga ny loza. Tetsy andanin’izay dia nambara fa nampidirina am-balam-pamonjana ihany koa na « fourrière » ilay fiarabe namoa-doza ity.

Raha tsiahivina dia nitrangana loza mahatsiravina teo amin’ny kianja fanaovam-baolina tao Analaroa ny alahady antoandro teo. Fiarabe iray nitondra mpijery baolina mpanohana ny ekipa iray, hanao ny lalao famaranana teo ambonin’io kianja io no nivadika. Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatr’izay ary olona folo no naratra, ary nisy ny telo tamin’izany no tena naratra mafy. Tamin’io andro alahady io tokoa mantsy no notanterahana ny lalao famaranana tamin’ny fifaninanana baolina kitra nokarakarain’ny kaominina tao Analaroa. Lalao izay nifanandrinan’ny ekipa iray avy any Antenibe Anativolo sy ny teo Analaroa. Mpijery baolina avy any Antanetibe Anativolo avokoa ny tao anatin’ilay fiarabe, raha ny voalaza. Ny anton’ny loza dia noho ny fandehanana mafy. Heverina, hoy ny vaovao azo fa mety ho fideraderana sy fanindriana ireo ekipa mpifanandrina no nahatonga ny mpamily hiditra eny ambony kianja mihitsy, ary mbola nandeha mafy ihany koa ambonin’izay. Raha iny handeha hihodina iny no nitongilana ilay fiarabe ary nitrosona tamin’ny tany ny ilany havanana, niaraka tamin’ireo olona rehetra tao anatiny. Efa tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana moa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici