- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMaevatanàna Lehilahy gadra lava, tany Toamasina no saron’ny polisy teo am-panaovana ny...

Maevatanàna Lehilahy gadra lava, tany Toamasina no saron’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny

Tsy mandry alina sy atoandro ny polisim-pirenena aty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka eo amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny famongorana ireo mpanao ratsy izay miseho dadany, indrindra fa ny fametrahana ny fanamby hoe: polisy manakaiky ny vahoaka sy hiaro ny fananany no tanjony minisiterany filaminam-bahoaka. Noho izany dia lehilahy antsoina hoe Eddy, ikoizana amin’ny famakiana trano tany Toamasina no voasambotry ny polisy, ny Zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 Ora alina, tao amin’ny fokontany Morafenokely, kaominina Maevatanana ambonivohitra. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny Kaomisera sy ny talem-paritry ny fiaminam-bahoaka eto Betsiboka, ny mikasika ny vaky trano niseho teto Maeavatana an-tampon-tanana sy Antanimbary no antony nisamborana azy. Fantatra fa anisany nandray anjara mivantana milasika ny asa ratsy niseho tao amin’io fokontany voalaza etsy aloha io izy. Nisy ihany koa ny fitarainana voaray avy amin’ireo olona amin’ity resaka fivakisana trano ity, izay somary nahazo laka tao ho ao izay. Reahefa naharay ny fitarainana etsy sy eroa ny mpiatandro ny filaminana tonga dia nandeha nidina ifotony eny anivony fokontany tsirairay avy no tokony hahitana an’ireo mpanao ratsy. Tratra teo am-panaovana asa ratsy moa i Eddy. Rehefa nofotorana izy dia fantatra fa efa fanaony ny mamaky trano. Rehefa natao ihany koa ny fisavana ny trano fonenany dia nahitana ireo karazan’entana toy ny: Ecran pla, Vilany maro isan-karazany, lamba, Panneau Solaire, DVD Portable, kiraro, Telefaonina, Poketra sy panihy, Fanamafisam-peo avy nangalarina tany Toamasina. Taoriana ny fakana am-bavany azy nataony polisy dia natolotra ny fampanoavana, ka nampidirina am-ponja vonjimaika eny Ambodimadiro. Marihina fa efa indroa nigadra teto amin’ny fonjany Maevatanàna sy indray nigadra kosa tany Toamasina i Eddy. Mitohy hatrany kosa ny fisafoana amin’ny alina isam-pokontany ataony polisy fa tsy mijanona hatreo hoy hatrany Commissaire divisionnaire de Police Atoa Ramampiandry Nicolas.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici